Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 06h35
 

Malagasy

HOY IZY IREO

vendredi 12 décembre 2008

- Tsy miova ny fampiharana ny demokrasia eto Madagasikara : « Na hipetraka aza ny lalàna hifehy ny antoko politika, dia mbola manahy ny maro amin’ny fihetsiky ny mpitondra amin’izao. Maro loatra ny tsy fanajana ny teny nifanomezana », hoy i Monja Roindefo, filohan’ny antoko Monima. « Nirotorotoana ny fandinihana ity lalàna ity, nefa ny lalàna mifehy ny antoko aza tsy voahaja. Tsy tokony ho atao mizana tsindran’ila ihany koa ny faritra. Ireo aloha no tokony himasoana ankehitriny mba hampirindra ny fampandrosoana ».

- Kely finoana kosa ny DHD an’ingahy Harinaivo Rasamoelina : « Tokony ho sahy hanao fanamby lehibe ny fitondrana vao miroso amin’ity fandinihana ny lalàna hifehy ny antoko politika ity. Isan’io ny fanalalahana ny haino aman-jerim-panjakana. Ny tondroin’ny tanany sy ny lazain’ny vavany samy hafa, ka izay no mampanahy anay mpanao politika, hoy ihany ity DHD ity. Raha tsy mazava ny fo, tsy misokatra ny saina ».

- Aza henjehina ny mpanohitra, ka sanatria atao toy ny mpangalatra : « Aza sembatsembanina ny zo fototra hananan’ny olom-pirenena tsy ankanavaka. Toy izany koa ny lalàmpanorenana. Io no nambaran’ny antoko Leader Fanilo, izay isan’ny handray anjara amin’ny ady hevitra politika momba ny lalàna hifehy ny antoko politika. Mila apetraka amin’ny tsy miakina ny famolavolana ny fifidianana. Atao tokana ny bileta, omena sehatra malalaka amin’ny haino amanjery (RNM - TVM) ny mpanohitra ». Isan’ny nambaran’ingahy Jean Max io

Nangonin’i Penjy R

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS