Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’ny ray malalanay :
Georges Robinson ROBERT
(Vady navelan’Itompokovavy Beby Julia Ranorovelo ROBERT)
Pharmacien Retraité
Ny Alakamisy 7 Febroary 2013 rehefa nivahiny 84 taona teto an-tany.
hoy,
Ny zanany :
Patrice ROBERT (France)
Brice ROBERT (Canada)
Béatrice ROBERT sy Vincent DEWU (U.S.A)
Géraldine ROBERT sy Thomas VIARDOT (Canada)
Ny zafiny :
Louis-Bernard ROBERT-CLERISSE (France)
Mélanie-Beby ROBERT, Julian-Hery ROBERT, Jorane-Tiana ROBERT (Canada)
Jeffrey DEWU, Kim DEWU (USA)
Talia VIARDOT (Canada)
Ny Renin’ny zafiny :
Muriel CLERISSE
Frédérique BACK
Ny fianakaviana manontolo
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Ambohitrombihavana
Ny Fokontany Ambohitromby - Anketana
Ny nofony dia hiala ao amin’ny Clinique de la Porte Verte, Versailles ny Alakamisy 14 Febroary ka ho entina ao amin’ny Crématorium du Parc, Clamart.
Ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra dia hanomboka amin’ny 11 ora 30 maraina ao amin’ny Crématorium du Parc, 104 rue de la porte de Trivaux 92140 Clamart alohan’ny handorana azy. Ny vovoka dia ho entina mody any Madagasikara amin’ny fotoana manaraka izay ho ampitaina amintsika eto ihany.
Araky ny fangatahan’Itompokolahy dia ho harahana antsakany sy andavany ny hafatra napetrany.
« Fa izaho, dia ny eo akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy. »
(Salamo 73 : 28a)