Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 4 octobre 2023
Antananarivo | 22h20
 

Malagasy

TIM Fanabeazana

« Foano fa manelingelina », hoy i Moxe

mardi 27 novembre 2007 | Naivo kely

Tsy tokony hatao ara-bakiteny fa hampiharo avy hatrany ny tenin’ny minisitry ny Fampianarana sy ny Fikarohana siantifika milaza hoe aoka izay ny resaka politika eo amin’ity sehatry ny fanabeazana ity fa andao ny fianarana sy ny hampandrosoana azy eto Madagasikara no atao. « Ravao avy hatrany ny TIM Fanabezana », hoy ny mpanolon-tsaina ara-politikan’ny filohan’ny Nosy, Moxe Ramandimbilahitra fa io no tena manimba ity tontolon’ny fampianarana eto amintsika ity. Noraisiny ohatra tamin’io ny famindran-toerana maro isan-karazany mitranga ankehitriny rehefa hita fa tsy mitovy firehena amin’ny antoko matanjaka eo amin’ny fitondrana. Dingana iray iny nataon’ny minisitra Radavidson Andriamparany iny, koa antenaina fa hiavaka tsara ny asa fanabeazana sy ny politika fa tsy sanatria ity farany no omena laka ka lasa sorona tsy fidiny ireo hafa fomba fijery amin’ny tena.

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS