Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 22h40
 

Malagasy

Taratasin’ny Mpamaky

Fiangonana mandrava didy folo

vendredi 25 juillet 2008 |  4805 visites 

« Miantso ireo mpitondra fivavahana rehetra Fiangonana iray, manana ny foto-pampianarana hoe « Rava ny didy folo sy ny lalàn’i Mosesy », manana ny foibeny eny Ambohidrapeto Itaosy, no nanao antso ho fanasana an’ireo mpitondra fivavahana izay mitandrina na mampitandrina izany didy folo sy ny lalàn’i Mosesy izany, ho tonga hanao ady hevitra ao amin’ny onjam-peon’izy ireo , dia ny radio HFF,97.2 Fm, ny alahady faha 27 ny volana jolay ho avy io, izay hanomboka amin’ny 8 ora alina.

Re tao amin’ity onjam-peo 97.2 Fm ity mantsy ny antso nataon’ny mpitondra tao amin’ity fiangonana ity, dia ny « Episkopo Samuelson Edouard », fa mahafaty sy mampivarina any amin’ny helo (afobe) ny fitandremana ity « didy folon’Andriamanitra ity ». Manao antso ihany koa ny tenany ho an’ny mpitondra fanjakana malagasy, sy ireo manamboninahitra sivily sy miaramila eto amin’ny tany sy ny firenena, mba hiaino izany famelabelarana ara-tsoratra masina ao amin’ny onjam-peo 97.2 FM izany. Mila izany ny firenena, hoy izy.

Aleo, hoy ihany ity mpanompon’Andriamanitra ity, mba ho hitan’ny vahoaka ny tena fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra. Izany no antony nanaovany ity fanasana ho an’ny mpitondra fivavahana mandala ny didy folo ity. Fiangonana miisa 12 eo ho eo moa no efa nandefasana ary nahazo izany fanasana izany.

Hafakely indray ity indray mitoraka ity, satria raha « fifanetrehana ara-politika » no matetika hita amin’ny fahitalavitra sy any amin’ny onjam-peo, dia tsy izany kosa amin’ity indray mandeha ity, fa « fifanetrehan’ny mpitondra fivavahana samy manana ny ny foto-pampianarany ». Ny andaniny mandrava didy folo, ary ny ankilany kosa mitandrina ny didy folo. Ho hita eo tokoa izay tena marina amin’izy ity. Ny mahalasa saina amin’izy ity, ary betsaka no mametraka fanontaniana, dia maninona tokoa moa no lazaina fa tsy ilaina intsony ny didy folo e ? Didin’Andriamanitra io, ka maninona no ravàna ? Tsy anjaranay no mamaly an’io, fa ho hita eo ny valin’izay amin’io alahady alina io. Ny hirariana dia ny ahatongavan’ireo mpitondra fivavahana hanatrika ity fifanetrehana atao ao amin’ny onjam-peo 97.2 Fm ity, fa raha tsy izany dia tsy hiady ny baolina. Koa miandry anareo ny malagasy mangetaheta fahamarinana, ry mpitondra fivavahana o ! Aiza no tena misy ny marina mankany amin’izany lanitra izany e ? Eo am-pelatananareo mpitondra fivavahana ny valin’izay, ka dia manantena valiny mahafa-po avy aminareo Tompoko.

Izay mahery izany mankany an-danitra amin’izy ity, fa izay osa ho any amin’ny helo ??? »

RLV Itaosy

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}