Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 03h54
 

Malagasy

Raharaha ao Fianarantsoa

Feno « zana-dambo » ny tanàna

mardi 5 juin 2007 | Naivo kely

Anio no hanohizan’ny fitondrana ny filan-kevitry ny Governemanta mitety faritra, ka ity tanànan’i Fianarantsoa ity no hanohizana azy anio. Mifamahofaho be ihany ny raharaha any an-toerana hatramin’ny omaly satria ankoatry ny mpitandro ny filaminana mameno ny tanàna, dia eo ihany koa ny fahitana, zana-dambo etsy sy eroa. Hanao inona no fanontaniana mipetraka ?

Hatreto aloha dia mbola misitery ireo, fa heno ihany koa fa hosoloina anio ny sefo distrika any an-toerana. Ny olana momba ny oniveriste Andrianjato, ary koa ny mety handaminana ny olan’ny katolika sy ny mpitondra fivavahana raha nanapoaka basy tany amin’ny monasteran’ny katolika iray tao Fianarantsoa II ny mpitandro ny filaminana, mbola olana tsy maintsy vahana avokoa ireo. Ingahy Pety Rakotoniaina izay ambara fototry ny olana moa hatreto mbola tsy hita na dia tambazana vola be aza ny fiaraha-monina. Karazana filan-kevitry ny Governemanta tahaka ny ahoana ny hiseho any an-toerana anio ? « Zana-dambo » hanao inona ireto mameno tanàna, ary iza no manakarama azy ireo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS