Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h14
 

Malagasy

Fivadihan’ny voka-bato

Fanovana ny lalàm-pifidianana no vaha-olana

samedi 29 décembre 2007 | Naivo kely

Saritsarim-pifidianana no miseho eto Madagasikara ka tsy mahagaga raha mandeha amin’ny tsy tokony ho izy ny safidim-bahoaka. Hita io nandritra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ny 3 desambra 2006, izay nandraisanay mpanohitra anjara kanefa ireny niarahana nahita ireny ny niseho. Io no nambaran’ny PDS teto amin’ny faritanin’Antananarivo teo aloha, ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand. Nanohitra ny fitsapan-kevi-bahoaka izahay mpanohitra ary iza no tsy nahalala fa zara raha nandray anjara tamin’izany ny vahoaka. Mbola sarintsarim-pifidianana avokoa ireny, ary na ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna farany teo aza dia maro no manohitra ny fitsimbadihan’ny tena safidim-bahoaka marina amin’izao. Ny fanafodin’io dia ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana izay vondron-kery maro no mitaky ny hampiarana izany.
Misy ilay tolo-dalàna natolotry ny FFKM saingy tsy hita fiafarana izy io hatramin’izao. Vita iny ny fifidianana isan’ambaratongany, ary raha ny lojika dia tokony ho 100% ny ben’ny tanàna azon’ny antoko TIM kanefa tsy izay no hita. Niova famindra ny ankamaroan’ny Malagasy ary isan’ny mba nandray anjara tamin’ny fanazavan-kevitra izahay mpanohitra ka dia io niarahana nahita io ny fiarovana ny safidiny ataon’ny vahoaka izay tsy manaiky lembenan’ny antokon’ny fanjakana intsony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS