Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 01h47
 

Malagasy

Hevitra

Fanosihosena sy jadona

mercredi 23 janvier 2008 |  974 visites 

Tsy mijanona mampiseo herisetra amin’ny vahoaka malagasy ny fitondrana ankehitriny. Izy Fanjakana no tompon-andraikitra amin’ ireny feo mivoaka tamin’ny ny radio RDB ireny sy ny hafa koa. Satria tsy misy ny tena demokirasia eto Madagasikara nohon’ny hala-bato sy osoka isankarazany dia voatery mivoaka amin’ny fomba hafa ny hetahetam-bahoaka.Tsy mifanitsy mihitsy amin’ny zavatra mitranga ny didy jadona atao’ny fanjakana : Olona iray no « mivoaka ny vala ». Ny rehetra anefa no tampenam-bava. Tsy hery no dikan’izao fa tahotra. Ankehitriny, filazana fa matahotra ny vahoaka ny fitondrana amin’ireny didy sy lalàna ataony ireny.Hita tamin’ny voka-pifidianana farany teo ireny fa tsy lanin’ny mpifidy any amin’ny toerana maro ny antoko noforonin’ny Filoha. Fantatra fa nisy osoka sy hala-bato tany amin’ny toerana maro « nahalany » ny antoko TIM ireny. Re amin’ny onja-peo sy gazety samihafa ny fanakianana ny Fanjakana.

Ny vahoaka efa tsy manafina ny tsy fitiavany azy intsony, na eto Antananarivo izany na any amin’ny faritra hafa. Mahatsiaro ho mitsingevaheva ny mpitondra ka sady misafoaka no mihorohoro ary manao didy sy hetsika aman-teny tsy voalanja. Noho ny tahotra dia mikorapaka toa an-dry Tsiranana mbamin-dRatsiraka, miditra amin’ny kizon’ny jadona amam-panaovana zinona ny feon’ny vahoaka malagasy. Saronany hosoka sy hala-bato ny safidim-bahoaka rehefa tsy mahafapo azy. Izao indray dia tapenam-bava tsotra izao ny Malagasy amin’ny fanafoanana ny fandaharana ahafahany maneho mivantana ny hetahetany.

Ambaran’ny Otrikafo ary anteriny fa tsy ny fahantrana fotsiny no manosika ny Malagasy hitroatra, fa ny fanimbazimbana ny zony indrindra indrindra. Ny mpitondra ihany no mamorona ny fangaron-javatra miteraka ny ahiahiny : sady ataony mivaivay ny afon’ny fampahantrana ny Malagasy no tsindriany mafy ny takotra tsy ivoahan’ny feony. Tsy hampilamina ny vahoaka velively izao ataony izao fa vao mainka hampiboiboika ny hatezerany. Fanakorotanana izao ataon’ny Fanjakana izao. Ary izao ataony izao no hampipoaka ny sarom-bilany.

Hoy ny fahendren’ny razantsika Malagasy :

« Aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka ». Efa mahatsiaro ho halam’bahoaka ny filoha ankehitriny.

Tsy afaka hanitsy ny fihetsiny intsony io fitondrana io. Ho tojon’ny sarotra ny Filoha raha mikiribiby amin’izao fihetsiny izao, ary mety ho tahaka an-dry Tsiranana mbamin-dRatsiraka no hiafarany.

Otrikafo

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS