Vao manomboka ny taona, dia nahazo fanomezana hafahafa ny vahoaka Malagasy. Tsy inona io fanomezana io, fa ny fiakaran’ny vidin’ny solika eto amintsika. Ekena fa mizaka io avokoa ny firenena maro eran-tany noho ny fiakaran’ny barila ho 100 dolara, kanefa inona kosa no mba aro-riaka hapetraka ho an’ny isan-tokantrano ? Ny vidim-piainana dia tsy maintsy mbola hitombo aorian’izao fiakarana izao, kanefa azo atao tsara ny misoroka fanararaotana maro isan-karazany izay miainga amintsika mianakavy ihany. Eo no ilaina ilay fanovana ny toe-tsaina tia kely izay efa miorim-paka eo amin’ny Gasy, ka raha voasoroka io, dia mety ho eo amin’ny 1% ny sondro-bidy hisy. Ny vahoaka madinika moa efa zatra ny miafy, fa mba manao ahoana kosa ny hafa ?
Fanomezana hafahafa
mardi 8 janvier 2008 |
| 666 visites