Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 11h45
 

Malagasy

TVM sy MBS

Fahavalon’ny mpanohitra

lundi 19 janvier 2009 | Naivo kely

Ho avy izahay hiaraka amin’ny vahoaka, raha afenina ao amin’ny TVM ny marina momba ny hetsi-bahoaka. Teny heno tetsy Ambohijatovo io ny sabotsy teo.

Raha nijery fahitalavitra tokoa ny maro ny alin’io, dia tsy nandeha ity hambara ho fitokanana ny “Kianjan’ny demokrasia” teny Ambohijatovo ity. Midika avy hatrany izany, fa handray ny andraikiny ny mpanohitra. Mety hisy ato ho ato, fakana ankeriny io haino aman-jerim-panjakana io izay ho ataon’ny mpanohitra. Endrika efa fahita hatramin’ny nisian’ny fanoherana teto amintsika ny fakana an-keriny haino aman-jerim-panjakana toy izao. Tamin’ny andron’ny revolisiona, dia efa niakatra tao i Jaona, ary izy irery no tratra farany tao. Efa nanao izany ry Joma Ernest sy ry Liva Ramahazomanana ny taona 89. Nidina teny ihany koa ry Alain Ramaroson sy Pierre Tsiranana ny taona 2002 raha nafana ny hetsika teto an-dRenivohitra, ary dia io manangasangasa io indray izany ankehitriny.

Tafiditra ao anatin’ny haino aman-jery ho fahavalon’ny mpanohitra ihany koa ny MBS. Ny antony, dia an’ny filoha Ravalomanana ity haino aman-jery ity, ary mbola tanin’ny kaominina no ampiasainy. Ireny niarahan’ny maro nandre teny teny Ambohijatovo ireny ny tatitra momba io tany io, izay nataon’ny ben’ny tanàna.

Raha ireo tranga ireo no atao indray mitopy maso, dia hiaran’ny valifaty politika indray ny haino aman-jery eto manomboka izao. Nakaton’ny fanjakana ny VIVA, dia ho alain’ny mpanohitra ihany koa ny tany misy ny MBS. Rehefa tsy nahazo sehatra nandritra ny fotoana maro tao amin’ny TVM ny mpanohitra, dia ho ankeriny no hanaovana izany. Ahoana ny hevitry ny Holafitry ny mpanao gazety amin’izany, indrindra fa ireto fikambanan’ny mpanao gazety maniry ohatry ny anana etsy sy eroa ireto ? Voa io ny VIVA, dia miray hina avokoa ny ankamaroan’ny mpanao gazety, miaro azy. Ary raha voa ireto farany mba ahoana ? Sa zara aza voa ny TVM sy ny MBS ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS