Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 00h05
 

Malagasy

Fitantanana ny kaominina

Fa nankaiza ny TGV ?

lundi 14 janvier 2008 |  2165 visites  | Naivo kely

Mila olom-baovao tanora vonona hanarina ny tanàna eto andrenivohitra ny maro, ka dia nirohotra nanome ny vatony 63% ho an’i Andry Rajoelina na Andry TGV hoy ny maro, satria io no afaka hanao izany. Nirohotra avokoa ny ankamaroan’ny tanora rehetra, satria tanora vonona i Andry TGV izay hanome fomba fiasa vaovao eto amin’ny tanàna.Gaga anefa ny maro raha nahita ny olona hiara-hiasa amin’ity Andry TGV ity amin’izao izy lany ben’ny tanàna izao, satria toa tsy misy olom-baovao ireto manodidina azy. Serge Radert izay efa niasa tao Ambohitsirohitra niaraka tamin’ny filoha Ravalomanana, saingy efa noesorina tamin’ny toerany taona vitsy lasa izay, ary olona akaiky ny Profesora Zafy Albert. Michele Ratsivalaka izay efa ministra teo aloha tamin’ny andron’ny Profesora Zafy Albert ihany koa ary anjaran’ny rehetra ny mitadidy ny zava-nisy tamin’izany. Niry Lanto, ampahany amin’ireo olona miara-miasa amin’ingahy ben’ny tanàna ireo, ka nahatonga ny rehetra hilaza hoe fa nankaiza daholo ireo tanora nitaingina skotera nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny no tsy mba nisy nalaina hiara-miasa hampandroso ny tanàna, fa iretsy olona efa nitondra teo aloha avokoa no nalaina hameno ny seza ? Tsy zoviana amin’ny rehetra mantsy raha ireo anarana voalaza etsy ambony ireo, kanefa dia nahazo laka ao amin’ny tanàna amin’izao.Tsy manana tanora gasy vonona hafa ve isika no anarana efa heno foana no omena sehatra eo amin’ny fitantanana, sa nisy fifanarahana hafa ka tsy maintsy nomena sehatra ireo anarana voalaza etsy aloha ireo ? Matoa ny vahoaka nitaky fanovana dia mila olona vaovao izy, sa ny tanorantsika no mbola tsy ampy traikefa ka voahilika lava amin’izay sehatra tokony hisy azy ? Nefa ny asa vita no hifampitsarana ka ho hita eo ihany satria mahalala izay heverina fa afaka hiara-miasa aminy ny ben’ny tanàna, ary tsy atao mahagaga ny fahitana olon-kafa miravaka ny vanginy aorian’ny ady mafana toy ny tamin’ny 12 desambra ireny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS