Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 10 mai 2024
Antananarivo | 21h21
 

Teny zato, kabary arivo

Fa inona marina e ?

vendredi 11 mai 2007 |  205 visites  | RAW

Voaroaka amin’ny fomba mihaja i môpera Urfer raha tsorina ny resaka. Lazaina fa ara-dalàna ny fandroahana azy. Asa moa fa anjaran’ny mpahay lalàna ny mijery an’izany. Fa ho an’ny olon-tsotra, izay ekena fa tokony hahafantatra ny lalàna, dia tsy rariny izao ary tsy tokony ho amin’izao fotoan-tsarotra izao mihitsy no tokony manangana fahavalo hafa koa ity fitondrana ity. Asa raha matoky tena toa inona ny mpitondra fa mampiahiahy be ihany izy ity. Etsy an-daniny ny fihetsiketsehana etsy sy eroa vokatry ny fahasarotan’ny fiainana sy ny « delestazy ».

Manampy trotraka izany koa ny ady ifanaovan’ny samy mpianatra any Fianarantsoa. Nitsoaka nandositra ny Oniversiten’Andrainjato moa ireo mpianatra maro satria efa nisy tora-bato sy fanaovana takalon’aina mihitsy ny raharaha. Dimy, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana ireo mpianatra takalon’aina. Ary miantrana am-bava ady hono ny mpitandro ny filaminana.

Asa inona marina no miandry antsika rahampitso ? Asa iza no tena miketrika zavatra hafahafa fa raha amin’izao fotoana iantsoana ny mpampiasa vola izao no mandroaka vahiny, pretra, frantsay, izay manana ny toerany teo amin’ny fiarahamonina eto an-drenivohitra ary eo anivon’ny mpino katôlika na ny olon-tsotra satria mpanetsiketsika sy mpitarika fikambanana maro i mompera Sylvain Urfer, dia manahy ny ho fihetsiky ny vahiny isan-karazany aho. Manahy ny ho fitroatran’ny mpitondra fivavahana katôlika aho. Indrindra moa fa efa nahiahina ho mpiray tendro amin’i Pety Rakotoniaina ny sasany tamin’izy ireo. Ary toa hoe efa tonga tany amin’ny Vatican mihitsy ny resaka. Raha ny fantatra alina aloha dia efa alohalika ny ranombary eo anivon’ireo mpitondra fivavahana katôlika ary toa « may Ambondrona fa taitra hatramin’ny Kardinaly, hatramin’ny Arsevekan’Antananarivo. Toa taitra hatramin’ireo masoivoho vahiny ary voalohany amin’izy ireo ny masoivoho frantsay ».

Ny tena mahavaky saina dia amin’ny fotoana hampiantranoana fihaonana ara-toekarena lehibe sy mpandraharaha vahiny isan-karazany no mandroaka vahiny, pretra mamy hoditra amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny mpitondra. Fa inona marina no tadiavina e ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS