Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 10h42
 

Malagasy

Fiangonana Loterana Malagasy any Frantsa (FLMF)

FLMF Fileovana vaovao

mercredi 14 mai 2008 |  1374 visites 

Notokanana tamin’ny alahady 4 Mey teo ny Fileovana Ile De France araka ny fanapahan-kevitry ny KMSL (Komity Mpiandraikitra ny Synode Lehibe) natao tany Fianarantsoa tamin’ny taona lasa 2007 teo. FLM 03 dia Malakoff, La Rochelle any Nantes no miankina amin’ity Fileovana Ile De France vaovao ity. Ny Teny Faneva amin’ny Jaona 10 : 16 a manao hoe : « Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko ».

Tonga marobe ireo mpianakavin’ny Finoana. Fianakaviam-be Loterana aty Frantsa, notarihan’ny Filohan’ny FLMF, Pastora Dr Habberstad Rakotondrazaka, nisolontena ny Prezidan’ny FLM Foibe, Pastora Dr Rakoto Endor Modeste, izay nandefa fialan-tsiny sy ny tso-drano hoan’ny Fileovana vaovao Ile De France. « Ny Fileovana dia tsy anarana entina fotsiny ihany, hoy ny Pastora Filohan’ny FLMF, fa mitaky adidy sy fandraisana anjara mavitrika eo amin’ny samy Fitandremana hoentin’ny Pastora avy : Fiaraha-miasa, Fifankatiavana, Asa misiona sns... hampandroso ny Fanjakan’Andriamanitra ». Tsiahivina fa Toriteny nifantoka tamin’ny hoe : « Mpiandry Tsara » izay midika fa ny Mpiandry tsara dia izay manao ny asa ampitiavana amin’ny alalan’ny Feo marina sy tokana, dia ny Feon’ny Jesosy kristy Jesosy ihany. Ary marihina fa samy nifandimby nirary soa ho an’ity Fileovana Ile De France ity ireo Fileovana rahavavy izay tonga nanotrona.

Nitondra ny teny fisaorana fohy ny solontenan’ny Fileovana vao natokana Atoa Ramandrantosoa Zaka, ary mazava ho azy fa ny Ray amandreny mpitondra Fileovana, Filohany, Pastora Raseta, dia namporisika hatrany ny kristiana mpiara-mivavvaka, tamin’ny alalan’ny Teny filamatry ny Fiangonany hoe : « Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona... » (Hebreo 10 : 25a) Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo (agape) ny fanompoam-pivoriana Fanokanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}