Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 10h51
 

Teny zato, kabary arivo

Efa ela no karemy

vendredi 8 février 2008 | Naivo kely |  781 visites 

Miditra amin’ny karemy ny mpino kristianina katôlika, ary ny silamo ihany koa dia efa manao izany fifadian-kanina izany, ho fanomezana hasina izay tompoany eo amin’ny sehatry ny finoana. Raha ity resaka karemy ity no jerena, dia fifadiana hena no atao, ary ny hafa moa dia ny tsy fihinanana hanina ny tontolo andro. Raha ny Malagasy manokana no jerena, dia efa ela no karemy, satria firy amin’ny Malagasy no mba afaka mihinan-kena isan’andro ? Na ranon-taolana aza tsy miditra ny vava, fa ny anana no zary atao mameno ny vilany miaraka amin’ny sosoa be ranony. Iza no tsy mahafantatra fa na io vary io aza dia misy indray mandeha isan-kerinandro vao mba mihinana izany, fa ny bala hazo sy ny batata no zary sakafo mahavonjy azy isan’andro. Firy amintsika no mbola manaraka io fifandian-kena io ? Azo tsorina fa na toy inona ny finoanao, raha mahita hena miraviravy, tsy maintsy mihinana, na ao anatin’ny karemy aza, satria impiry mba ahita toy izany ? Kristianina maro no nanambara izany, izay hita fa taratry ny tsy fahampiana avokoa, koa heloka ve ny fandikana ny karemy ho an’ny sasany ? Ny Ray ao ambony angamba no hitsara antsika amin’izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}