Nanakoako ny fanazavan’ny filoha Ravalomanana farany teo tany Toamasina, izay nilazany fa ray aman-drenin’ny malagasy rehetra izy na mpanohitra na ihany koa mpanohana, ary hanampy izay ben’ny tanàna tsy ankanavaka lany eo. « Maika ny fampandrosoana ary tsy ho lany andro hifanasa vangy eto isika », hoy izy. Miteny ho azy io voalazan’ny filoha Ravalomanana io, ka hisintonana ny sain’ny maro raha nanambara nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny fa tsy hisy faritra handroso raha toa ka tsy ny TIM izay akaiky ny fitondrana no lany eo. Nisy mihitsy fampitandremana nataon’olon’antoko nanambara fa ho taraiky ny kaominina ka mila manohana ny TIM izay « zanaky i dada » ny rehetra. Tsy asiana ady hevitra io fa efa io novalian’ny filoha izay ray aman-drenin’ny vahoaka malagasy rehetra fa natao ho don-tandroka fotsiny ireny mba handemena ny sain’ny mpifidy, ary dia nisy tratran’io, saingy tsy vitsy koa no tsy azo noelingelenina ny safidiny.
Raha handray fahefana ireto ben’ny tanàna vaovao ireto miaraka amin’ireo mpanolontsaina, moa ve mbola hisy ho sahy hanome lamosina azy ireo ny olom-boatendry napetraka isaky ny faritra ? Tsy ho ferana izany, satria mbola mitoetra loatra eto amintsika ny alahelon-toerana, ary na ireo depiote sasany aza dia mety halaim-panahy hanao tsindry azo lena ny ben’ny tanàna tsy mitovy firehana aminy ao amin’ny kaominina iray. Raha toa ka valifaty no tiana hapetraka eto dia mbola ho lavitra ny fampandrosoana na dia nanamafy aza ny filoham-pirenena fa maika ny fanatanterahina ny MAP, ary ilaina ny fifanankalozan-kevitra satria malagasy iray ihany isika mianakavy.