Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 21h05
 

Fanambarana

Groupe des Experts Nationaux

CENI : Inona marina no andrasana aminy ?

jeudi 24 décembre 2015

Mba ho rafitra manana fasahina hampanjaka ny fahamarinana eo amin’ny tontolon’ny fifidianana ary hijoro manoloana ny fandikandalana ataon’ireo mpisehatra politika mandray anjara ao anatin’ny fifidianana : avo feo raha misy fandikana lalana (ohatra : niseho tany amin’ny faritra Anosy).

Manoloana ny fitsanganan’ny biraon’ny CENI vaovao tamin’ny 02 novembre 2015 lasa teo sy ny fiatrehana ny fifidianana senatorialy amin’ny 29 decembre 2015 izao, izay ho tanterahina eny anivon’ny kaomina miisa 1695, dia mipetraka ny fanontaniana : Inona marina no andrasana amin’ny CENI ? Hanatanteraka ny baikon’ny fitondrana foibe tahaka ny mahazatra ve sa mba tena hijoro sy hanana ny fahaleovantenany ?

Mampanahy mafy ny besinimaro ny amin’ny hanatontosana ny fifidianana senatorialy eo anivon’ny kaomina fa mety hisy teritery amin’ny endriny maro hiatra amin’ireo mpifidy lehibe na “grands électeurs” mba ahazoan’ny fitondrana foibe ny vaton’izy ireo. Dia toy izany foana ve no atao amin’ity firenena malalantsika ity ? Tombontsoan’ny olon-tokana ve no arahina sa tombontsoa iombonan’ny firenena ?

Mampametram-panontanina ihany koa ny tsy nahitana taratra ny teti-bola ho an’ny CENI tao amin’ny « Loi de finance 2016 » izay vao nolanian’ny depiote farany teo, nefa voafaritra ao amin’ny « Andininy 106, ao amin’ny Loi n°2015 LOI n° 2015 – 020 » fa ny « La loi de finances » mamaritra isan-taona ny tetibola fampandehanan-draharaha ny CENI, ankoatr’izany ny tetibola manokana momba ny raharaham-pifidianana. Midika ve izany fa tsy manana vaindohandraharaha ny CENI amin’ny taona ho avy, manoloana an’ireo tsy fahatomombanana niseho teto amin’ny tany sy ny firenena teo amin’ny fikarakarana sy ny fitantanana ny fifidiana ?

Ny fametrahana ny rafitra mahaleotena misahana ny fifidianana, ao anatin’izao Repoblika faha-4 izao dia midika ny fitsaharan’ny CENIT amin’ny asany, fa toa misafotofoto ny fomba fitantanana eto amin’ny firenena ; zany hoe tokony hirosoana ny famindrampahefana ary ho hita taratra eto amin’ny firenena fa ny CENI no rafitra napetraka sy miasa ankehitriny.
Mifangaro ny andraikitra raisin’ny ministeran’ny atitany sy ny CENI koa tsy fantatry ny olompirenena intsony ny lalàna tanterahina.

Vokany :

- Ho voahosihosy ny zon’ny mpifidy amin’ny fifidianana « senatorialy » izay ho tanterahina afaka andro vitsivitsy ;
-  Mety hiteraka krizy vaovao eo anivon’ireo andrim-panjakana samihafa ny fifidianana izay noteren-ko masaka toy ny voalobo-jaza ;
-  Miha-marisa hatrany ny andrim-panjakana mpanao lalana vokatry ny safidy tsy araky ny tokony ho izy ka hiteraka fiankinan-doha tanteraka amin’ny fanjakana mpanatanteraka izany ;
-  Hiteraka tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana misy ankehitriny na instabilité politique ;
-  Mihena ny “credibilité”-ny CENI, ary io rafitra io no mibaby ny lalana hapetraky ny governementa izay manelingelina ny fiasan’ny rafitra CENI.
-  Tsy ahavita ny asany ara-dalana ny CENI raha tokony tsy hitanila amin’iza na iza, tsy hiandany, hangarahara, hahaleotena ary ho tena matianina. Ahiana araka izany ny mety ho fandikana ny « Adininy faha 5 ny « LOI n° 2015 – 020 ».

Eo anatrehan’izany dia takiana ny :

- Fanajana :

  • ny Lalàna
  • ny fahaleovantenan’ny CENI hampiatra ny fahefana napetraka taminy ;
  • ny “neutralité de l’administration”
  • ny zon’ny mpifidy

-  Hanatsaharana tanteraka ireo endrika samihafa faneriterena atao amin’ireo mpifidy lehibe na “grands electeurs” ;
-  Famoahana faran’izay haingana ny vokatra vonjimaikan’ny fifidianana havoakan’ny CENI mba hialana amin’ny ahihay (Art 121 du Code electoral).

Soso-kevitra :
-  Fanamafisana ny communication eo anivon’ny ceni ka hifantoka bebe kokoa amin’ny fanazavana ny atao hoe fifidianana demokratika sy ny sakana eo hampanantanterahana izany.
-  Tokony atomboka dien’izao ny fanatsarahana rehetra amin’ny fikarakarana sy ny fitantanana ny fifidiana manaraka toy ny : fanovana ny kara-panondro “electronique” ho fitaovana tokana ahafahana mifidy, fanavaozana ny lisim-pifidianana, logiciel hikirakirana ny valim-pifidianana,… ;
-  Entanina ny CENI mba hanana fivelarana sy fisokafana amin’ireo olona na vondron’olona manana hevitra ho fanatsarana ny asa izay ataony ; soritana manokana ny fahavonona eo amin’ny Gen hitondra ny fahaiza manao hanantanterahana ny soatoavina efa novohizina nandritra ny taona maro eo amin’ny tontolo ny fifidianana demokratika
-  Entanina ny olom-pirenena sy vondron’olona isan-tsokajiny mba hanao « critique constructive” ho fanatsarana ny tontolon’ny fifidianana ;
-  Asiana ny tombana sy jeritodika nasionaly ny asa vita ny CENI-T sy CENI aorian’ny fifidiana senatora : Senatora, Ben’ny Tanana, Depiote ary Filoham-pirenena mba ho fanatsarana ny dingana manaraka ;izany dia manery antsika handrafitra lalam-pifidianana vaovao,sy ireo lalana rehetra mifandraika amin’izany.
-  Asiana ny fifanakalozana traikefa, haizatra ary ny fahaizamanao amin’ireo mpisehatra ny fifidianana eto an-toerana sy iraisam-pirenena ;
-  Hamafisina ny fanabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena mpifidy handray andarikitra amin’ny fanaraha-maso mivantana ny safidiny.

Antananarivo, faha-21 desambra 2015

Madeleine Ramaholimihaso
Bruno Rakotoarison
Charles Rakotonirina
Hasina Rakotoson
Cocken Razafiarison


Groupe des Experts Nationaux (GEN)
Rue Rajakoba Augustin Ankadivato Antananarivo
E-mail : mrcabram@moov.mg
Tél : 22 663 99 Fax : 22 663 59

2 commentaires

Vos commentaires

  • 24 décembre 2015 à 09:21 | Noue (#2427)

    Ny olana dia be dia be ireo voalaza , hanao an’zao sy izao , tokony zao sy izao no atao , saingy tsy misy azo raisina avy eo comme on dit « que des paroles en l’air »

    tsy hoe ny hevitra no tsy misy saingy tsy mba misy concrétisation avy eo.

  • 24 décembre 2015 à 10:49 | RAMAHEFARISOA Basile (#9107)

    justement,je viens de lire la loi organique :
    - N°2015-007
    fixant les règles relatives au fonctionnement du SENAT ainsi qu’aux modalités d’élections..
    Que ces fameux experts nationaux se plongent un peu dans la lecture de cette loi organique et de ses 152 articles.Point barre !
    - "ILS SE DISENT EXPERTS NATIONAUX !
    Mais ont-ils lu cette loi organique N° 2015-007 ?

    Le PADESM et ses héritiers.

    Basile RAMAHEFARISOA-1943
    b.ramahefarisoa@gmail.com

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS