Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 01h23
 

Malagasy

Antalaha

« Bois de rose » 800 isa no tratra tao amin’ny mpandraharaha iray

vendredi 22 juin 2007 |  209 visites  | Nivo T. A.

Na dia mbola manan-kery hatrany aza ny fampiatoana ny fitrandrahana hazo sarobidy toy ny « bois de rose » dia mbola misy hatrany ireo minia mandika izany lalàna izany.

Afak’omaly, dia « bois de rose » miisa 800 no tratra tao amin’ny mpandraharaha iray tany Antalaha. Ny sasany tamin’ireo hazo ireo dia efa notehirizina tao anaty magazay ary ny ampahany kosa nalevina tao anaty lavaka ary avy eo nototofana fotaka.

Nandritra ny fisafoana nataon’ny tompon’andraikitra tao amin’ny rano sy ala amin’iny faritra SAVA iny moa no nahitana izao hazo sarobidy izao. Mandeha ny famotorana mikasika izany ary efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ilay mpandraharaha nahitana ireo hazo sarobidy.

Tetsy an-danin’izay, dia nanao fitsidihana tampoka tany Antalaha ihany koa ny tale jeneralin’ny Tontolo iainana sy ny Rano sy Ala, Atoa Rakotondranony Laurent Guy, omaly, nanara-maso akaiky ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna ataon’ny mpandraharaha sasany.

Nilaza izy fa mbola hitohy ny savahao ahafantarana ireo tsy manara-dalàna ary hentitra ny fampiaharana ny lalàna ho an’ireo mpitrandraka an-tsokosoko ny hazo sarobidy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS