Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 23h16
 

Malagasy

Nigadra noho ny kolikoly

Betsaka mitaky ny hamoahana ilay talen’ny asa vaventy

mardi 14 octobre 2008 | Njaka

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Maintirano ny talem-paritry ny minisiteran’ny asa vaventy miasa ao amin’ny faritry Melaky ny faran’ny volana aogositra teo.
Ny Bianco avy any Mahajanga no nidina tany an-toerana tamin’izay ka nisahana ny raharaha. Fitoriana maro dia maro no voarainy momba izany.

Ny 21 oktobra izao kosa ny fitsarana ao amin’ny tribonaly ao Maintirano ihany. Noho ny fitoriana maro amin’ny resaka kolikoly no antony mazava ho azy. Mpiasan’ny asa vaventy, ben’ny tanàna maro, mpandraharaha tompona orinasa mpanao lalana, ireo no nanao fitarainana noho ny fomba fiasany. Resaka Fisandohana, fampiasana hosoka ary fanodikodinambolam-panjakana no niampangana azy. Manana orinasa telo izy izay am-piasainy manao asam-panjakana, fanamboaran-dalana sy ny sisa. Saika ireo orinasany ireo avokoa no manao ny ankamaroan’ny asa rehetra. Betsaka ny fanelanelanana mitranga any ambadika any ankehitriny mitaky ny hamoahana ity talem-paritry ny asa-vaventy ity, toy ny ao amin’ny ministera misy azy, sy olona ambony hafa. Tsy mbola nosoloina koa io talem-paritra io hatramin’izao.

Ohatra nataony, mangalan-tsonian’ireo mpiasa mamita iraka izy, amin’ny tambin-karama natokana ho an’izany no hangalany vola. Na koa mamorona taratasy hafa ho an’ireo mpamita iraka. Tsy voarain’ilay olona ny vola. Ben’ny tanàna maro koa no nitory nohon’ny tsy fahavitan’ny asa. Manginy fotsiny ireo orinasa nahavita asa tsy nahazo vola na tara ny fandraisana ofisialy ny asa. Efa ela tokoa no nisian’ny fitarainana. Betsaka ny niakatra nitaraina taty amin’ny ministera kanefa very maina hatramin’izay. Nifanojo tamin’ny fidinan’ny Bianco tany an-toerana ny raharaha ka tsy afa-niala intsony ity talem-paritra ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS