Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 11h06
 

Malagasy

Andriambilany

Bebe Razanatompo, 118 taona

mardi 6 mai 2008 | Manou
Bebe Razanatompo taorian’ny nahafaty azy voalohany.

Nifanantitra amin-janaka aman-jafy araka ny fiteny tokoa Ramatoabe Razanatompo tany amin’ny fokontany Ambahondrano, kaominina Andriambilany, any amin’ny distrikan’Ambatolampy satria nahatratra 118 taona !

  • Tsy nisy fahagagana

Niaina toy ny olon-tsotra rehetra niray tanàna taminy tany ambanivohitra izy, araky ny fitantaran’ny mpiray monina : niasa tany, niady tamin’ny fiainana, nianjadiam-pahoriana ihany koa...

Tsy voahazavan’ny fianakaviany mihitsy ny antony nampiavaka azy ka nahatonga an-dramatoabe ho nanana tombon’andro lava manokana toy io.
Kely nanambady Razanatompo, araky ny fahatsiarovan’ny taranany ny tantarany satria vao 13 taona izy no nampakarin’ny vadiny tamin’izany fotoana izany. Tsy dia fantatra mazava kosa na tena nisy fitiavana toy ny an’ny tanora amin’izao fotoana izao ny azy roa tamin’izany na ahoana satria vady namboarina araky ny fomban’ny ntaolo no niorenan’ny tokantranony nefa naharitra tokoa hatramin’ny farany.

  • Antony mahalava velona ?

Tsy dia nivaky loha firy tamin’ny fitiavana angamba ramatoabe, hoy ny tao an-tanàna ! Tsy nasiany olana tamin’ny tokantranony ny fitiavana fa rehefa io no tsy maintsy vadiana dia niaretany ary angamba tsy nampiferon’aina azy izany.

Niasa mafy izy mivady namelomany ny zanany 3 mianadahy. Na izany aza, tsy dia rera-batana tamin’ny fiterahan-dava loatra koa izy ary tsy valaky ny fitaizana.

Sakafo tsotsotra toy ny an’ny tambanivohitra rehetra no tena tiany, araky ny fitantaran’ny zanany vavy izay mpifanerasera tsy tapaka taminy na dia efa an-tokantrano ihany koa aza...

Ny sasany tamin’ireo havany tany Ambahondrano kosa, nanamarika fa ny naha-kambana azy no naha-ela velona an’ity vaviantitra ity. Efa ho 10 taona lasa izao no nahalasanan’ny anadahiny kambana taminy ka lasan’iny ny fahafatesana, hoy ny finoan’ny olon-tsotra eny ambanivohitra. Tsy dia mbola nanana olana ara-pandrenesana firy Razanatompo na teo aza io taonany io ary tsy nampiasa solomaso mihitsy raha nanjaitra. Mbola mahavita dia an-tongotra sy maka kitay manodidina ny tanàna izy satria nipetra-drery nandritry ny 17 taona nahafaty ny vadiny.

  • Indroa maty

Maty tao Ambahondrano tanindrazany tamin’ny 01 mey teo i Razanatompo. Nahagaga ny fianakaviana anefa fa efa niala aina ary maty izy herinandro mialoha an’io. Tafarina indray anefa izy rehefa hofonosina ary naharesaka tsara sady tafatsangana na dia avy narary am-pandriana nandritry ny tapa-bolana aza. Salama no niheveran’ny zanany azy ka tampoka ihany io tena nindaosan’ny fahafatesana azy io !

187 ny taranaka navelan’Itompokovavy ka mihoatry ny 75 taona ny zanany farany. Nohamafisin’ny taranany fa taona marina ara-panjakana ny an’i Bebe Razanatompo ary ananany karapanondrom-pirenena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS