Tao anatin’ny 30 taona teo ho eo, no nandrenesana fa ny 85% ny Malagasy dia tantsaha avokoa, ary miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka io tantsaha io. Mitombina tokoa izany, raha mahita ny fari-piainan’izy ireo, satria ny tombon’ny fambolena mamelona antsika Malagasy tsy vaky volo indray no tena fadiranovana. Raha ny vidim-bokatra dia mazana tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy no handraisan’ireo mpijirika izany eny ifotony, koa tsy mahagaga raha mbola miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka izy ireo. Mitsoaka miakatra ny renivohitra ny ankamaroan’ireo tantsaha satria toa tsy mahavelona azy intsony ny fambolena sy ny fiompiana, ary ireo izay mbola manabe-voho ny taniny indray dia ireny haripaky ny mpangalatra ireny izay eo ampela-tànany. Ho jerena manokana izy ireo amin’ity taona ity hoy ny filoham-pirenena raha nikabary, ary tamin’io ihany koa no nilazany ny hanafarantsika ireo osy maro be izay efa tonga tamin’ny sabotsy lasa teo, mba hanome ronono sy hena ary ny hodiny hanaovana « tapis mohair ». Tsara rehefa be tetika fa maika ve ny osy hoy ny mpitazana ? Nahoana raha fitaovana toy ny trakitera no nafarana maro be mba hiasa ireo tany midadasika eto amintsika, ary hafarana toy izany koa ny zezika sy masomboly raha tsy ampy ny eto antoerana mba hamokaran’ireo tany avy nohasain’ny trakitera ireo. Sa hiandrasana vahiny toy ny eny antampon’I Ihorombe ny hanao izany ? Raha miditra amin’ny fanaovana izany isika, dia ho maro ny olona ahazo asa, ary havokatra ny tany fa tsy sanatria avela ho ngazana tahaka izao, ary azo antoka fa na katsaka sy mangahazo monja aza no volena amin’ireny, ho afaka ao anatin’ny mosary isika, ary azo atao tsara ny manondrana izany any ivelany, saingy hatraiza ny finiavana hanao izany ?
Be tetika
mardi 15 janvier 2008 |
| 626 visites