Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 16h38
 

Malagasy

Fifidianana sy ny AKFM

Aza beazina hangala-bato ny vahoaka

vendredi 7 mars 2008 |  311 visites  | Naivo kely

« Mila vaha-olana maika ny firenena. Aoka ny hery rehetra no hitambatra hanangana rafitra vaovao fa tsy vitan’ny fanjakana samy irery ny manarina ny tanindrazana ». Io no antso avo nataon’ny antoko Akfm omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo.

Ny ahiahy maro apetraky ity antoko ity momba ny fifidianana, dia ny mety hisian’ny fivadihan’ny safidim-bahoaka. Toy izany ny fividianana ny mpifidy amin’ny vary 1 kilao. Ny fanjakana dia manambara fa tokony ho tezaina amin’ny fifidianana ny vahoaka. Marina io, saingy ny tsara dia tsy tezaina amin’ny hala-bato toy ny misy amin’izao fotoana. Mankalaza ny faha-50 taonany ity antoko ity, izay voalazany, fa tsy mivaona amin’ny fotokeviny ny antoko, ary miatrika ny taonjato faha-21, mba hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny.
Ny Akfm, dia nanamarika tamin’ny fanaparitahana vola nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza farany teo, fa raha nisy ireny nahoana no tsy nozaraina mialoha tamin’ny vahoaka sahirana. Toa endrika fisehoana ivelany fotsiny no misy ankehitriny, indrindra fa atomotra ny fifidianana. Ingahy Jaozandry sy Erick Rakotomanga mpitarika ity antoko ity no nanambara ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS