Ny alakamisy ho avy izao no hankalazana ny fetin’ny mpifankatia na ny « Saint Valentin ». Kolontsaina vahiny nahazo vahana eto amintsika, na niniana nomena vahana mihitsy izy ity. Misy lafiny ratsy sy tsara hatrany ny zava-drehetra, ka izay tsy maharaka ny fomba any ivelany hono taraiky. Tsy te-ho gisitra isika, ka fanomanana io fetin’ny mpifankatia io no malaza amin’izao, izay hita taratra amin’ny lanonana maro isan-karazany etsy sy eroa. Tsara ny mifankatia noho ny mifankahala, kanefa ny mampalahelo, dia ny fanindrahindrana be loatra ny kolontsaina vahiny eto amintsika. Ny « Alahamadibe » sy ny « Volambetohaka » izay kolontsaina Malagasy manana ny maha-izy azy, moa mba mahazo vahana ao an-tsain’ny tonora ankehitriny ve izy ireny ? Hita ho mahazo vahana ireo tanora tia ny filibana manoloana itony karazana hetsika itony, ka ho voafehin’ny ray aman-dreny ve ny tanorantsika mandritra io andro io ? Apetraho hanana ny toerany ny fomba Malagasy, ka tsy ho valalan’ambola lava izao, izay isika tompony indray no tsy ho tia. Mba rahoviana re ireny fomba amam-panao Malagasy ireny vao mba hankalaizan’ny vahiny any amin’ny taniny toy ity fetin’ny mpifankatia ity e ?
Aza atao valalan’amboa
mardi 12 février 2008 |
| 734 visites