Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 15h47
 

Malagasy

Ivohasina Razafimahefa

« Atsaharo ny lainga »

vendredi 23 janvier 2009
Razafimahefa Ivohasina, sekretera jeneralin’ny Tiako i Madagasikata.

Mampiakapeo ny mpanohana ny mpitondra ankehitriny ary mampitandrina ny ankilany hoe “atsaharo ny lainga ary aza mamita- bahoaka”. Hoy indrindra i Razafimahefa Ivohasina, sekretera jeneralin’ny Tiako i Madagasikata momba ny raopilanina Air Force II : “fampiasam-bola tahaka ny fampiasam-bola rehetra (investissement) ny fiaramanidina ; efa nahitana vokatra lehibe maro izany toy ny nahazoan’i Madagasikara ny fampiantranoana ny Fivoriana an-tampon’ny Union Africaine sy ny Firenena miteny frantsay.” “Mahazo tombontsoa betsaka isika amin’izany, ohatra ny nahazoantsika ny Centre de Conference International”, hoy izy manohy ny fanazavany. “Noho ny hatsaran’ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny any ivelany dia an-tapitrisa dôlara ny fanampiana avy any ivelany (Union Europeenne : 577 tapitrisa euro, Banque Mondiale : 260 tapitrisa dôlara isan-taona) izay nahafahantsika nanamboatra làlana, sekoly, toeram-pitsaboana, sns…”, araka ny fanazavany.

Lamaody miserana

“Diso tanteraka sy famitaham-bahoaka amin’ny filazana fa hahafahana mividy vary ho an’ny vahoaka Malagasy aman-taonany maro ny vidin’ny fiaramanidina 60 tapitrisa dôlara kanefa 2 500 000 T ny vary ilain’ny Malagasy isan-taona izay 1 250 tapitrisa dôlara no vidiny. Amina miliara dôlara maro izany ny vidim-bary aman-taonany izany fa tsy 60 tapitrisa fotsiny”, hoy izy manitsy an- dry Andry TGV. “Ankoatra izany, fampandrosoana maharitra no tadiavina fa tsy lamaody miserana vetivety monja, tsy vary fotsiny no ilain’ny zanakao fa mila fampiasam-bola handefasana azy an-tsekoly, sns”, hoy Ivohasina Razafimahefa, manohy ny fanazavany. Farany momba ny Air Force II : “mipetraka ho fananan’ny Fanjakana Malagasy ny Force One, fa tsy fananan’ny Filoham-pirenena. Mifanaraka tanteraka amin’ny Lalànan’ny Teti-bolam-panjakana (Loi Organique des Lois des Finances) ny fividianana ny fiaramanidina ary tokony hianatra momba izany lalàna izany mba tsy hilazana resaka diso amin’ny tenany sy amin’ny vahoaka.”

DAEWOO

Tsy vitan’izay fa nodisoany koa ny tsaho momba ny Daewoo : « diso tanteraka sy famitaham-bahoaka ny filazana fa nivarotra tany tamin’ny Daewoo ny fitondram-panjakana. Efa nanao fanitsiana momba izany io orinasa io. Noho izany, tsy misy acte de vente momba izany.” Nanainga izay manana “dossiers” momba izany moa ny sekretera jeneralin’ny TIM ary niantso mba hampiseho izany. « Aoka anefa, hoy izy, mba tsy ho taratasy foronina hamitahana vahoaka indray no haseho.” Manome fanazavana teknika moa izy avy eo : “isan’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana malagasy ny fananan-tany, ao anatin’izany ny fiarovana ny tany ho an’ny tantsaha sy ho an’ny malagasy. 8%n’ny tany azo volena ihany anefa no voajary hatramin’izao. Fanambintsika anefa ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fanondranana ireo vokatra ara-pambolena any ivelany. Manoloana ireo dia miantso ireo mpampiasa vola vahiny isika hanatrarana ireo tanjona ireo.” Fanontaniana avy eo no nasetriny ny lainga afafy etsy sy eroa : “handroso ve i Madagasikara raha ho roahina daholo ireo mpampiasa vola vahiny izay mampiasa ny tany tsy misy tompony, tsy nangatahin’olona nefa mipetra-potsiny ary doran’ny olona aza ny ankamaroany ?”

Tombotsoa

Ho azy dia : “maro be ny tombontsoa azo avy amin’ireny ary tsy adala ireo firenena hafa mitady mpampiasa vola vahiny ankoatry Madagasikara. Miteraka famoronana asa eo an-toerana, fidiram-bola ho an’ny kaominina voakasiky ny tetikasa amin’ny alalan’ny hetra alaina isaky ny kilao, fananganana foto-drafitrasa, vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ahafahana manao foto-drafitrasa hafa sy asa fampandrosoana manerana ny Nosy.” “Tsy ny vahiny ihany, hoy izy mamarany ny teniny, fa misy koa ny Malagasy manao fambolena midadasika toy ny vondron’ireo mpandraharaha any Vasiana, ilay mpandraharaha Toky ery Tampoketsa, Dadazaka any Ihosy, World Jason Energy any Ankatsepy sns…, ary ampirisihina mihitsy aza ny malagasy mba hampiasa ny volany amin’ny sehatry ny fambolena, fototry ny fampandrosoana ny firenena.” Tsy vitan’izany ny asa fa “miezaka ny fanjakana mba hahazoan’ny Malagasy ny titres fonciers ho porofo fa izy no tompony : tamin’ny taona 2000 dia 756 fotsiny ny titres fonciers voazara, kanefa teo anelanelan’ny 2005-2008 dia tafakatra 28 217 izany ; ankoatra ireo dia 10 000 certificats fonciers no voazara tamin’ny 2008 vokatry ny fametrahana ny birao ifoton’ny fananan-tany, misy 10 000 hafa efa vonona hozaraina.”

Nangonin’i E.M.F.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS