Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 11h32
 

Malagasy

Fampandrosoana

« Association Madagascar Terre de Liberté »

lundi 26 mai 2008 | Manou

Hanitatra ny ambaindainy ny fikambanana Madagascar Terre de Liberté, araky ny tapaky ny fivoriambe teto an-drenivohitra tamin’ny sabotsy teo.

Hanampy ny Map

Haparitaka any amin’ny faritra rehetra eto amin’ny nosy ny fikambanana, raha ny vinavinan’ny mpivory niainga avy tamin’ny tolo-kevitry ny mpikatroka zandriny tamin’io fotoana io. Voafaritra ao anatin’ny sata fototra rahateo ny fanatanterahana izany, araky ny fanambaran’ny filohan’ny Madagascar Terre de Liberté International, Ravonison Ambroise, ka tsy maintsy hafainganina ny fananganana sampana amin’ireo toerana ireo satria efa vonona amin’izany ihany koa ny tanora matoa nandroso io soson-kevitra io.

Hiantomboka amin’ny fanentanana ifotony ny fanapariahana ny fikambanana Madagascar Terre de Liberté isam-paritra. Hampiarahana amin’izay koa ny fandinihana ny fomba hahafaha-manampy ny fitondrana amin’ny fanatanterahana ny Madagasikara Am-Perinasa izay hita fa tena hahasoa ny firenena saingy tsy ampy tosika sady tsy fantatry ny mpahazo tombontsoa firy ka mihisatra ny fampandehanana azy !

Niasa hatrany

Ho voapetraka ara-panjakana amin’ity herinandro ity ny satan’ny fikambanana izay voatsangana roa volana lasa teto Madagasikara. Efa tany amin’ny taona 2002 kosa no niforona ny fikambanana Madagascar Terre de Liberté International, foiben’ity tafapetraka eto amintsika ity ary tsy niandry fa nanao asa fanasoavana teto foana hatramin’izay. Ny lafiny momba ny fiahiana ny zaza sy ny ankizy no tena niantsorohany tao anatin’izay.

Efa an-dàlana sahady koa ny asa fananganana trano sekoly sy fampidiran-drano fisotro madio natomboky ny fikambanana any amin’ny fokontany Ambodifarihy ao anaty vinavinan’asany amin’ity taona ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS