Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Asehoy ny marina

vendredi 28 mars 2008 |  1126 visites  | Naivo kely

Mandeha ny fisamborana manamboninahitra. Tsy vao izao fa efa ela, hoy ny mpandinika, ary maro no efa nahiditra am-ponja. Fikenokenonana hanongam-panjakana no fototry ny fisamborana.

Andraikitra lehibe ho an’ny firenena ny fitandroana ny filaminana, indrindra ny maha-iray tsy mivaky ny firenena. Ezaka lehibe heverina fa tsy azo hamaivanina ny fepetra henjana ho an’ireo minia te-handrava ny filaminana eto.

Mipoitra indray ity fanonganam-panjakana ity tao ho ao. Tsy ny mpanao politika mivantana no voakasik’io, fa ny eny anivon’ny tafika. Re fa mandeha ny fisamborana etsy sy eroa, ary efa mandeha ny fanadihadiana isan-karazany. Manana ny tsiambaratelony ny fanadihadiana, saingy mila ho fantatry ny rehetra ihany ny tena marina. Raha hitodiana kely ny mikasika ilay ambara ho fikasana hamono ny filoham-pirenena ny datin’ny Aprily 2007 lasa teo, dia nambara fa voasambotra ilay olona. Iza izy io, ary nanao ahoana ny tohin’ny raharaha ? Nahoana no tsy aseho vahoaka toy ny nahazo an’ilay lehilahy antsoina hoe Ivan teny Ambohibao izy io ? Asehoy ny marina mora hitandreman’ny tsirairay. Misy hifandraisany ihany koa ve ny fanehoan-kevitra politika mateti-pitranga tao ho ao sy ity fisamborana manamboninahitra ity ? Miandry ny fanadihadiana ny rehetra, ary ho hita eo ny marina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS