Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 03h44
 

Malagasy

Taratasin’ny mpamaky

« Asanao ry Iarivo... jamba sa mahiratra ? »

mercredi 5 décembre 2007

« Vita Ravalo. Vita Ravalo. Vita Ravalo. Raha vao i Andry TGV no lany ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra eo. Tsotra ny antony : hiaro ny fananany no vain-dohan-draharahan’i Andry TGV vao lasa maire eo izy. Toy ny nataon-dRavalo ihany izay niaro sy nanitatra ny ambaindain’ny Tiko sy Magro ary MBS vao lany Maire an’Antananarivo sy Prezidan"i Madagasikara izy.

Adiny manokana tamin-dRatsiraka (adin’ny Tiko sy Procoops) manko no nanosika azy hilatsaka Maire sy Prezidà fa tsy hoe fitiavana an’Antananarivo sy ny vahoaka Malagasy izany. Hitantsika miredareda be io ny firoborobon’ny business an-dRavalo. Tsisy sehatra izay tsy hidirany sy tsy ataony am-pihi-mamba. Tapi-maso sy tako-kenatra avokoa ny sisa rehetra. Fa na tiana na tsy tiana dia nahavita nampanao dingana lehibe ny vahoaka Malagasy mankany amin’ny fampandrosoana haingana sy maharitra izy. Ny Gasy indray no hita tsy maharaka ny fimorimony.

Vola be amina miliara de dollars maromaro (QMM, Sherritt International, Tsimiroro, PIC, Sakoa, Beauxite an’i Manantenina,sns) no mananontanona sy efa manomboka migadona eto amin’ny firenentsika fa toa ilaozantsika Malagasy mihanahana tsy sahy sy tsy mahavita mitelina sy mampiasa ary mampamokatra izany vola be mikirozaroza eo ambany masontsika izany !

Valifaty ihany koa sy bizina goavana io tian’i Andry TGV ho tanterahana io, fa tsy fitiavana sy fitsinjovana ny vahoakan’Antananarivo izany. Te-hifanandrina sy te-hifampitana amin’ny bizina makadiry sy maro rantsana an’i Little H ny tovolahy.

Fepetra voalohany : raisiny vao lany Maire eo i TGV : mamerina amin’ny laoniny ireo panneaux publicitaires-ny izay an’i Injet sy Doma Pub miisa 80 nesorin’ny PDS Hery Rafalimananana teo aloha.

Fepetra faharoa : manendaka indray kosa ireo panneaux publicitaires an’ny l-Mada izay an’ny fianakaviana Radavidra rafozan’i Sarah Ravalomanana, ka manolo izany an’ireo panneaux publicitaires mirehitra jiro sy miovaova endrika toy ilay efa napetrany teo Antanimena akaiky ny zaridaina sy ny Falda fa saingy nendahin’ny maire Patrick Ramiaramanana tamin’ny fotoan’androny.

Fepetra fahatelo raisin’ny Maire Andry TGV : manakatona ny Foiben’ny Mbs radio sy télé ery Anosipatrana satria ireo miorina tsy ara-dalàna ao anatin’ny tanin’ny Kaominina Antananarivo sady manelingelina be ny fivelaran’ny Viva télé sy Viva radio an’ingahy Maire vaovao.

Fepetra faha efatra : manamboatra ny Kianjan’Antsonjombe sy manangana orinasa iray, roa, telo sy efatra hanomezana asa ny tanoran’Iarivo araka ny fampanantenana poakaty nataon’ny ben’ny tanàna Andry TGV.

Raisintsika hoe tena nahita vola tokoa izy avy any dilambato sy avy amin’i Renimalala mpiaro sy mpaniraka azy Dia raha sady tsy omen’ny governemanta baikon-dRavalo na ny alalana hanamboarana ny kianjan’Antsojombe sy hanorenana an’izany orinasa izany na ny vola devizy arotsaky ny Frantsay ao amin’ny Banky Foibe hanamboarana an’Antsonjombe sy hananganana izany orinasa izany, dia inona no hitranga ?

Iza no sahy hifanamby amiko fa tsy ho raikitra ny ady saritaka eo amin’ny Maire Andry TGV sy ny Filoha hajaina Marc Ravalomanana. Dia hiandany amin’iza ny vahoakan’Antananarivo matsilo sy maranitra ?

Sa kosa ny vahoakan’Antananarivo no efa tena te hifampikotrana sy mila gidragidra amin’ny Filoha Ravalomanana ? Dia i Andry TGV no tiany hatao kaka sy fitaovana amin’izany ? Mistery io ry zanako. Fa dia amin’ny 13 desambra isika mahita izy.

Izaho manokana aloha dia mba te hahita izany ady sahotaka eo amin’ny samy Ambaniandro izany sy ny ady alika fa tsisy ankandasitra eo amin’ny samy malama raha tsy hoe angaha tian’Iarivo hilamina ny tanàna, dia i Hery Rafaly zanak’I Dada ihany no laniany ho ben’ny tanàna dia mitohy ny fanamboarana ny tanàna sy ny fanatsarana ny farim-piainanan’ny mponina ao aminy. Ka tohizana ary ve ny asa sa harodana ny kely vao mba najoro ? Asanao ry Iarivo mahiratra. »

Belanto
Monday, December 3, 2007

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS