Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 07h37
 

Malagasy

« Fikambanana miaro ny demokrasia »

Arovanay ny 53% azon-dRavalomanana

samedi 24 janvier 2009 |  1426 visites  | Naivo kely

“Aza atao resabe ny demokrasia, fa tena ampiharo”. Io no nambaran’ny fikambanana vao nijoro vonona hiaro ny filoha Ravalomanana. Ny antony, dia lany tamin’ny isam-bato 53% manerana an’i Madagasikara ny filoha Ravalomanana, ary 63% kosa ny an’i Andry Rajoelina izay teto an-dRenivohitra monja. “Ho atao tsinotsinona ve ny safidin’ireo vahoaka maro be manerana an’i Madagasikara, hoy ity fikambanana vonona hampihatra ny tena demokrasia ity. Ninia nangina izahay tao anatin’izay andro maromaro izay, ary dia nihevitra ny ankilany fa resy ny safidinay narotsaka ho an’ny filoha ankehitriny. Tsia, tsy afaka ny hangina ho volamena intsony izahay”, hoy ry zareo.

Hanao hetsika ihany koa

Fantatra ary izao fa hisy hetsika goavana ihany koa ho ataon’izy ireo hanoherana izao “famotehana ny fiainam-pirenena” izao. Ny alakamisy alina teo no fantatra fa nisian’io fivoriana io, ary heno fa ankolafin’olona manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy no mivondrona ao amin’ity fikambanana vao nijoro ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS