Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h46
 

Teny zato, kabary arivo

Antso an’efitra

vendredi 27 juin 2008 | Naivo kely

Miasa izahay, hoy ny filoha Ravalomanana. Naderaderany ireo asa efa vita izay niainga tany amin’ny faritany, ary niampita teny amin’ny trano fandraisana fivoriana goavana teny Ivato. Ny alarobia teo indray, dia niazo ny tsena tetsy Ambohimanarina ny lehilahy, ary nitokana ilay tsena misy rihana eny an-toerana. Noporofoina fa tsy misy ny kobaka am-bava, fa miasa ho an’ny vahoaka izy sy ny fitondrana tarihany. Ankilany, dia mbola mitohy ny antso an’efitra ataon’ny mpanohitra. Antso izay mitory any amin’ny vahoaka fa mandeha amin’ny tsy tokony ho izy ny fomba fandaniana ny volam-panjakana. Mba henoy ihany ny hevitray, hoy ireto mpanohitra izay notarihan’ingahy Herizo Razafimahaleo ireto raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ny talata tolak’andro teo.

Hatreto, dia hevitra roa tsy mety hifandray mihitsy no hita. Ireo anefa no heverin’ny hafa ho ampifanantonina, hijerena ny marimaritra iraisana hanasoavana ny tanindrazana. Mety hiray ve ny hevitra sy ny fomba fijery tahaka ny eo amin’ny mpanohitra sy ny mpitondra ? Ny fisamborana sy ny fampidirana am-ponja mpanao politika dia mbola hita ihany tao ho ao, ary zary nampifitsaka ny hafa. Tsy vitsy no nilaza fa tsy misy fanehoan-kevitra azo atao eto. Ny mpitondra kosa dia tsy misalasala, manambara fa izay olona miniha manakorontana ny fiainam-bahoaka tsy maintsy hampiharina aminy ny sazy henjana. Izay no hilazana fa samy maka ho azy ny tsirairay, ka ny vahoaka angaha no avela hitsara izay zava-misy marina eto. Sa ny vahoaka tsy avela hanana ny heviny malalaka ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS