Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Teny zato, kabary arivo

Antitra ve ny tanora ?

lundi 31 mars 2008 |  657 visites  | Naivo kely

Misokatra ny varavarana. Feo efa fandre hatry ny ela io. Mbola naverin’ny filoha Ravalomanana io nandritra ny fotoam-pivavahana natao tetsy Analakely ny sabotsy lasa teo. Fankalazana ny datin’ny 29 Martsa io.

Raha misokatra ny varavarana, dia midika io fa tsy misy tokony ahilika eo amin’ny asa fanarenana an’i Madagasikara. Misy tsiahy tiana hapetraka anefa momba ireo olona heverina fa tokony hifanome tànana amin’izao asa fampandrosoana tiana hapetraka izao. Toa iniana nampanginina tanteraka ny sasany amin’ireo heverina fa nahavita teto amin’ny firenena. Isan’io ry Ny Hasina Andriamanjato, izay tanora mba nitondra fampivoarana teto. Mety tsy ho tonga lafatra ny nataony fa vita hatreo ve ny aminy ? Isan’ny mpanao politika nametraka izao fitondrana izao tamin’ny toerany i Alain Ramaroson. Fantatra io teo amin’y resaka andrimasom-pokonolona. Enin-taona aty aoriana. Toa nanjavona ny lehilahy. Tsy nomena andraikitra sa nisintaka amin’ny andraikitra tokony ho raisina ? Tao ny mpahay toe-karena dia i Herizo Razafimahaleo. Fifandraisana amin’ny any ivelany, ary afaka mizara ny fahaiza-manaony eo amin’io sehatra io, saingy ny Politika tsy hiraisana no hifanilihana. Farany dia ny PDS Hery Rafalimanana. Valo volana monja hoy ny mpitazana dia nanova zavatra maro teto amin’ny tanàna. Nahatsapa izany ny tsirairay, saingy resy teo amin’ny latsa-bato ny lehilahy. Ampahany ireo, fa inona no tsy anomezana andraikitra ireo karazan’olona voatanisa ireo ? Fiovana no ilaina, ary tsy hanavahana firehana no tanjona. Misy tanora afaka manova haingana ny tanàna, ary ny toe-tasaina, koa miandry ny fahatsapa-tenan’ ny vahoaka, ary mbola ao ireo eo anivon’ny sehatra tsy miankina afaka mirodorodo amin’ny asa izay hatao.

Sa antitra ve ny tanora ka marivo salosana ? Zarao ny andraikitra fa tsy vitan’olon-tokana ny fanarenana an’i Madagasikara, ary ny filoha no efa nilaza fa misokatra ho an’ny tsara sitra-po ny varavaran’ny fitondrana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS