« Teny malagasy, teny ibeazako, teny ahombiazako ». Io no lohahevitra nentina nankalaza ny andro eran-tany ho an’ny tenin-dreny teto Madagasikara omaly. harena, reharehan-tsika ny fampiasana io teny Malagasy io, satria vahoaka mahatratra 18 tapitrisa no mampiasa azy. Firenena mahaleotena isika manana azy, ka tsy tokony ho atao valalan’amboa ka isika tompony indray no andeha tsy ho tia izany. « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa kosa feheziko ». Teny fandre matetika io, hilazana fa tsy ho atao ambanin-javatra ny fitenin-drazana, nefa mahafehy ny fiteny hafa koa mba ahafahana misokatra amin’ny any ivelany. Mazana anefa, dia misy mihevitra fa tenin’olona bado ny tenintsika. Lanonam-panjakana ho an’ny Malagasy, dia teny vahiny no ampiasaina. Eny hatrany amin’ny taratasim-panjakana eny amin’ny fokontany aza, dia vitsy no mba mampiasa ny tenintsika. Hatraiza marina ny fifehezana io tenin-dreny io, mba tsy ho resy tondro-molotra amin’ny any ivelany ? Isika rehetra no miara-mifehy izany, ka mba ny vahiny indray no ho dedaka hampiasa ny fiteny Malagasy, fa tsy isika lava izao no hiana-kendry ny hafa. Tsy midika izany ny tsy hianarana ny fiteny vahiny, fa aoka omena ny lanja ny an’ny tena, indrindra fa ny kolontsaina Malagasy.
Andrianiko ny teniko
vendredi 22 février 2008 |
| 943 visites