Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h56
 

Teny zato, kabary arivo

Anatry ny hafa

mardi 4 novembre 2008

Tratra ireo nahavanon-doza tetsy Mahamasina namono ilay dokotera mivady sy ny mpanampy azy. Vono olona feno habibiana no nitranga, ary ny zanany vavy izay taizany fony faha-kely no nahavita ny heloka niaraka tamin’ny sakaizany.
Niaky ny heloka vitany izy roa ireto, ary tamin’ny fomba mahatsiravina no nanaovana ny vono olona. Maty niaraka tamin’izy mivady ireto koa ilay ramatoa be mpanampy azy, satria nahiana ahita ny tsiambaratelo.

Tany Mananjary no tratra izy roa, ary ny Polisy misahana ny heloka be vava efa nitondra ny fanazavana tamin’ny mpanao gazety omaly. Be loatra ny vono olona sy ny faharatsiana mitranga eto. Zary mahazo vahana tsy fidiny izy ireny. Eny fa na hatramin’ny ray niteraka aza, dia sahy manolana ny zaza naterany, ary dia hiterahany mihitsy. Efa eo ampelan-tanan’ny fitsarana ny raharaha, izay antenaina fa ho henjana ny sazy miandry azy ireny, mba ho hanatry ny hafa. Io sazy henjana io no vaha-olana haingana indrindra, satria izay mbola mitetika ny hanao ratsy dia hangirifiry avy hatrany vao mahita ny zionga mety hiandry azy. Izay no hilana fanabeazana matotra eto, izay mihagoragora ankehitriny. Iza anefa no hanao izany ? Isika tsirairay dia manana andraikitra lehibe amin’izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS