Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 08h18
 

Teny zato, kabary arivo

Ampy izay

mardi 8 juillet 2008 | Naivo kely

Mihazakazaka ny asa atao eto amin’ny tanàna. Maika io, ka tsy ilana mitamatama. Miova matetika ihany koa ireo mpiara-miasa apetraky ny Filoham-pirenena ao amin’ny amabaratongam-pahefana isan-karazany. Tsy dia gaga amin’izany intsony ny maro, satria nandritra ny enin-taona, dia maro ireo olona noheverina ho nahavita azy no efa tsy hita tabilao intsony ankehitriny.
Nankaiza ry ingahy Zazah Ramandimbiarison, izay nahavita làlana maro fony izy mbola Praiministra lefitra ? Ny PDS Hery Rafalimanana izay nampamirapiratra ny Renivohitra tao anatin’ny fotoana fohy ? Ny minisitra teo aloha, Patrick Ramiaramanana izay sahy nandrava ny fedrerasiona, ka nanambara fa hiainga ifotony amin’izay ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Ankehitriny anefa, dia io hiarahana mahita io fa tohizan’ny minisitra vaovao izany, ary na ilay mpanazatra vahiny vao hiara-miasa amintsika aza dia nilaza fa hijery ifotony ny baolina kitra Malagasy.

Matoa noesorina dia ampy izay, hoy kosa ny hafa. Tsy hitomany hanomezana toerana izay olona nalàna tamin’ny toerany isika, saingy moa ve nahavita ny asan’ireo noesorina ny mpandimby azy ireo ? Tsy anjaran’ny lahatsoratra no hilaza ny valiny, saingy mba tsara jerena ihany izay olona afaka miatrika asa haingana mba ho tratra ny tanjona tian’ny fitondrana atao hampiakarana avo ny firenena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS