Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 7 octobre 2026
Antananarivo | 20h08
 

Malagasy

Teny an-dàlana teny

Ambodivona : nitaraina ireo mpitari-posy sy sarety

samedi 24 mai 2008 |  729 visites 

Nanaitra ny mpandalo omaly maraina ny nahita ireo mpitandron’ny filaminana nanao bemidina teny amin’ny manodidina ny tobim-piatsonan’ny zotra nasionaly, teny Ambodivona. Nosakanany avokoa ireo posiposy sy sarety sendra azy ireo. Noraràny tsy andeha, ary hiandry ny amin’ny 6 ora hariva vao hanohy ny diany. Niteraka resabe izany teo-javatra izany, ka izao hoentina amintsika manaraka izao ny sombintsombiny amin’izany resaka izany.

° Feno, iray amin’ireo olona mpitazatazana tojo anay teny an-toerana. Ho azy dia tsy rariny ny nataon’ny polisy.

• Madagascar Tribune : Ahoana ny fahitanao izao hetsiky ny mpitandro ny filaminana izao ?

– Feno : " Io izy io iarahantsika mahita io ko. Sakasakànana daholo ny madinika tsy avela hiasa. Tsy mahazo mihetsika eo hono raha tsy amin’ny 6 ora ariva."

• Dia ahoana ny fahitanao izany fisakanana izany ?

– " Tena tsy mety. Io no mba fivelomany dia gafiana sahala amin’izao ve. Omeo ajavascript:barre_raccourci(’’,’’,document.formulaire.texte)sa ary ry zareo dia tsy hitarim-posy sy sarety intsony e. "

° Andry, anisan’ireo mpitarika posy voarara tsy nahazo nivezivezy. Milaza izy fa tsy rariny ny mahazo azy sy ireo namany mpitari-posy sy sarety.

•

– Andry : " Izao tsy avelan’ny olona hiasa izao fa inona indray eh. Io izao dia tsy fantatro izay ho lazaina amin’ny tompon’ireo entana ireo."

• Fa angaha ianareo tsy efa nolazaina fa tsy mahazo mivezivezy an-tanàn-dehibe ?

– " Izay anie efa tsy mandalo any Analakely sy Anosy intsony eh. Sady nahoana no mamely tampoka toa izao."

° Dédé, mpitari-posy efa voasakan’ny polisy ihany koa. Maneho ny tsy fahafaliany ihany koa izy.

• Madagascar Tribune : Ianao koa ve tsy faly tahaka ny namanao ?

– Dédé : " Fa tadiavinareo hivanitika indray ary ve ity izaho. Jereo ity fijaliana mianjady amiko. Io no mba fivelomako dia atao sahala amin’izao."

• Ka ianareo anie efa nolazaina tsy hivezivezy an-tanàn-dehibe eh !

– " Lazaiko anao, fa izay anie manampy olona maro eh ! Sady mora ny saram-pitateranay, no loloavinay aterinay hatrany am-baravarany ny entan’ireo olona miantso anay. Nolazaina izahay fa hoe amin’ny alina no tokony hivezivezy, ny mpamosavy sy ny totakely ranga’ty no mivezivezy amin’ny alina ! "

° André, anisan’ireo olona mpitazana nankasitraka ny asan’ireo mpitandro ny filaminana.

• Madagascar Tribune : Ahoana ny fahitanao izao he tsiky ny mpitandron’ny filaminana izao ?

– André : " Amiko aloha dia mety izao ataon’ny mpitandron’ny filaminana izao eh. Ireo posy sy sarety ireo anie no tena miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra eto eh. Hiarahantsika mahita fa kely fandeha izy ireo. Izany dia miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana. Ary efa henontsika ireny tenin’ny minisitra omaly ireny amin’ny fandraisana fepetra momba ny fitaterana."

• Mino ve ianao fa aharitra izao hetsika izao ?

– " Eto Madagasikara anie hatairana fosiny no be tsaka. Toy ny resaka " Casque moto " sy " vitre fumée " ihany io. Izao aloha angamba nahita ireny fitohanana teny Anosibe ireny ny manampahefana dia somary mandray fepetra kely. Dia avy eo hitantsika eo ny tohiny."

Nangonin’i MANJAKAHERY Tsiresena

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}