Nanaitra ny mpandalo omaly maraina ny nahita ireo mpitandron’ny filaminana nanao bemidina teny amin’ny manodidina ny tobim-piatsonan’ny zotra nasionaly, teny Ambodivona. Nosakanany avokoa ireo posiposy sy sarety sendra azy ireo. Noraràny tsy andeha, ary hiandry ny amin’ny 6 ora hariva vao hanohy ny diany. Niteraka resabe izany teo-javatra izany, ka izao hoentina amintsika manaraka izao ny sombintsombiny amin’izany resaka izany.
° Feno, iray amin’ireo olona mpitazatazana tojo anay teny an-toerana. Ho azy dia tsy rariny ny nataon’ny polisy.
• Madagascar Tribune : Ahoana ny fahitanao izao hetsiky ny mpitandro ny filaminana izao ?
– Feno : " Io izy io iarahantsika mahita io ko. Sakasakànana daholo ny madinika tsy avela hiasa. Tsy mahazo mihetsika eo hono raha tsy amin’ny 6 ora ariva."
• Dia ahoana ny fahitanao izany fisakanana izany ?
– " Tena tsy mety. Io no mba fivelomany dia gafiana sahala amin’izao ve. Omeo ajavascript:barre_raccourci(’’,’’,document.formulaire.texte)sa ary ry zareo dia tsy hitarim-posy sy sarety intsony e. "
° Andry, anisan’ireo mpitarika posy voarara tsy nahazo nivezivezy. Milaza izy fa tsy rariny ny mahazo azy sy ireo namany mpitari-posy sy sarety.
•
– Andry : " Izao tsy avelan’ny olona hiasa izao fa inona indray eh. Io izao dia tsy fantatro izay ho lazaina amin’ny tompon’ireo entana ireo."
• Fa angaha ianareo tsy efa nolazaina fa tsy mahazo mivezivezy an-tanàn-dehibe ?
– " Izay anie efa tsy mandalo any Analakely sy Anosy intsony eh. Sady nahoana no mamely tampoka toa izao."
° Dédé, mpitari-posy efa voasakan’ny polisy ihany koa. Maneho ny tsy fahafaliany ihany koa izy.
• Madagascar Tribune : Ianao koa ve tsy faly tahaka ny namanao ?
– Dédé : " Fa tadiavinareo hivanitika indray ary ve ity izaho. Jereo ity fijaliana mianjady amiko. Io no mba fivelomako dia atao sahala amin’izao."
• Ka ianareo anie efa nolazaina tsy hivezivezy an-tanàn-dehibe eh !
– " Lazaiko anao, fa izay anie manampy olona maro eh ! Sady mora ny saram-pitateranay, no loloavinay aterinay hatrany am-baravarany ny entan’ireo olona miantso anay. Nolazaina izahay fa hoe amin’ny alina no tokony hivezivezy, ny mpamosavy sy ny totakely ranga’ty no mivezivezy amin’ny alina ! "
° André, anisan’ireo olona mpitazana nankasitraka ny asan’ireo mpitandro ny filaminana.
• Madagascar Tribune : Ahoana ny fahitanao izao he tsiky ny mpitandron’ny filaminana izao ?
– André : " Amiko aloha dia mety izao ataon’ny mpitandron’ny filaminana izao eh. Ireo posy sy sarety ireo anie no tena miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra eto eh. Hiarahantsika mahita fa kely fandeha izy ireo. Izany dia miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana. Ary efa henontsika ireny tenin’ny minisitra omaly ireny amin’ny fandraisana fepetra momba ny fitaterana."
• Mino ve ianao fa aharitra izao hetsika izao ?
– " Eto Madagasikara anie hatairana fosiny no be tsaka. Toy ny resaka " Casque moto " sy " vitre fumée " ihany io. Izao aloha angamba nahita ireny fitohanana teny Anosibe ireny ny manampahefana dia somary mandray fepetra kely. Dia avy eo hitantsika eo ny tohiny."
Nangonin’i MANJAKAHERY Tsiresena




