Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 17h12
 

Malagasy

Mpanjato Raharinosy

« Ajoroy ny demokrasia tena izy »

mardi 16 décembre 2008

Be ny resaka misavoana manoloana ny ady hevitra amin’ny hananganana ny sata hifehy ny antoko politika eto Madagasikara. Izay indrindra no hitondran’i Mpanjato Raharinosy hevitra momba azy io. Mpahay lalàna, ary nianatra ny momba ny siansa Politika ny tenany, ary mpikambana ao anatin’ny antoko « Tambatra ».

M.T : Vanim-potoana tokony handinihana ny sata hifehy ny antoko politika ve izao ?

- Mpanjato : « Ny tsara ho fantatry ny olona aloha, dia ny hoe inona no atao hoe demokrasia, satria ny foto-kevi-dehibe tian’ny filoham-pirenena Malagasy hahatongavana, dia ny hampanjaka ny demokrasia eto amin’ny tany sy ny firenena ».

Inona ary no atao hoe demokrasia ?

- « Ny atao hoe demokrasia, dia teny grika, avy amin’ny teny hoe demokrasia ny »Demos« midika ho »Peuple« , »kratein« midika ho »gouverner« . Dikany malalaka izany, dia ny hoe »gouvernement du peuple, par le peuple et pour le peuple« . Ilay »gouvernement du peuple« kosa dia Frantsay no nanoratra izany ao amin’ny Lalàmpanorenany. Tsapa fa ingahy Alexis de Tocqueville koa dia nanamafy izany tany Amerika. Raha fehezina izany dia ny demokrasia dia endrika governemanta, miantoka ny fitovian-jo sy ny fahafahan’ny olom-pirenena tsirairay. Betsaka noho izany ny firenena manerana an’izao tontolo izao, no nampitondra ny kianja malaza any aminy ho kianjan’ny demokrasia. Ohatra ny kianjan’ny Tien An Men, izay manana ny sata manokany, izay tena lehibe tokoa ao Pekin, renivohitry i Chine ».

Ny mety ho fampihenana ny antoko politika eto ?

- "Ny fisian’ny antoko politika maromaro, dia efa milaza avy hatrany fa misy ny demokrasia, satria ireo antoko politika ireo no hisafidianan’ny vahoaka ho ampindraminy ny fahefana. Ny fampihenana ny antoko politika, dia mampihena miandalana ny safidim-bahoaka, ary rehefa mampihena ny safidim-bahoaka, dia mazava ho azy fa tsy misy fahalalahana ho azo atao, ary manosihosy ny tena demokrasia.

Noho izany, dia mifanohitra amin’ny tanjona tiana ho tratrarina amin’ny fananganana demokrasia, na ankolaka io na mivantana. Ny tena zava-doza, dia raha miroso amin’io isika, dia toa manamarina avy hatrany eo anatrehan’izao tontolo izao, fa tena fanonganam-panjakana marina no nahazoan’ny filoham-pirenena ny fanjakana nanomboka ny 2002 ireny. Ingahy Duverger Maurice, politologue frantsay, dia milaza mazava tsara, fa ny mpitondra nahazo fanjakana avy amin’ny alàlan’ny fanonganam-panjakana, dia misafidy ny hanao jadona avokoa. Ny tena ratsy, dia ho lasa mangidy hoditra amin’ny vahoaka ny mpitondra manao jadona, toy ny nampivondronana ny antoko politika tao amin’ny mandatehezana miaro ny tolom-piavotana".

Ny hevitrao momba ny famatsiam-bola ny antoko politika ?

- « Raha tena demokrasia marina no atao eto, dia tsy tsara ny hamatsiam-bola ny antoko politika. Ny antony, dia lasa ny vola indray no mibahana fa tsy ny fanabeazana ny olom-pirenena sy ny finiavana te-hampandroso ny tany sy ny firenena. Izany akory tsy midika fa tsy tokony omena ny valin-kasasarany izy ireo, fa aoka kosa ny vahoaka no hamaritra ny asa vitany ».

Ny azo hamitinana ny hevitrao ?

- « Misaotra ny filoham-pirenena nanao ity hetsika ho atao rahampitso eny Iavoloha ity. Zava-dehibe io, ka rariny raha mandray anjara ny rehetra. Sahia miady hevitra isika antoko politika, ary aoka tsy afangaro amin’ny resaka hafa ny sata hifehy ny antoko politika, satria hiantoka ny ho avin’ny antoko rehetra eto Madagasikara izy io ».

Dinika noraisn’i Penjy R.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS