Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 16h32
 

Opinions

Ajorontsika vahoaka izao dia izao ny Haute Cour de Justice

lundi 2 février 2009

Haute Cour de Justice. Fitsarana Avo momba ny Fahamarinana. Tao anaty Lalampanorenan-dRatsiraka io tamin’ny 1975 fa sady tsy najorony no tsy nampihariny. Tao anaty Lalampanorenan’i Zafy Albert tamin’ny 1992 fa sady tsy najorony no tsy notanterahany. Mbola tao anaty Lalampanorenan-dRatsiraka Didier Amiraly ihany izy niverina teo amin’ny fitondrana tamin’ny 1996 fa mbola sady tsy najorony no tsy nampihariny.

Mazava loatra fa ao anatin’ny Lalampanorenan-dRavalomanana soamantsara tamin’ny 2002 ka hatramin’izao isika manoratra sy miteny izao. Fa sady tsy najorony no tsy nampihariny.

Ary azo antoka fa ho ao anatin’ny Lalampanorenan’I Andry TGV sy Rolland Ratsiraka ary Alain Ramaroson fa sady tsy hajoron-dry zareo mandrakizay no tsy ho tanterahan-dry zareo mandrakizay ihany koa.

Raha tetehana hitsarana olon-kafa dia mendimendy sy mihogahoga ary avo vava ery izy rehetra ireo. Fa raha vao hoe Fitsarana Avo momba ny Fahamarinana tsy maintsy hitsarana ny tenan-dry zalahy, dia tsy mahazo ajoro. Fady tena fady. Sanatria dia sanatria. Indrindra moa ry zalahy ka efa tonga eo amin’ny seza fiandrianana mitaingina fitondrana. Aoka aloha. Aoka etsy ! Aleo aloha izahay hiongana vao mety hieritreritra an’izany indray.

(...)

Rangory

Izay no rangory fototry ny afo eto Madagasikara. Izay tsy fisian’ny arofanina matanjaka sy tena mba atahoran’ny mpitondra izay indrindra no antony tokana mahatonga ny fitiavan-tena diso tafahoatran’ireo mpitondra mifandimby hasiaka ratsy sy mahery vaika tokoa mamotika ny fiainantsika vahoaka Malagasy. Ary dia izay no fototry ny korontana mateti-pitranga sy fandrebirebena miseho lany amintsika vahoaka hatrany amin’ny volana mey 1972 ka hatramin’izao taona 2009 manomboka miditra izao. Rebirebena amin’ny rotaka eny an-dalambe foana isika vahoaka hatramizao.

Inona no vandy be sy fampanantenana poakaty tsy mbola natao teto Madagasikara teto ? Politikan’ny kibo no hamokisako anareo hoy i Tsiranana tamin’ny Repoblika Voalohany. Ny deuxième classe no ho karakaraiko voalohany hoy ny Jeneraly Ramanantsoa tamin’ny 1972. Entiko any amin’ny Paradisa Sosialista ianareo hoy i Didier Ratsiraka tamin’ny 1975. Entinay miakatra any an-danitra ity Firenena ity, hoy i Zafy Albert sy Andriamanjato Richard ary ny FFKM sy ny Hery Velona Rasalama tamin’ny 1991-1992. Nivimbinako Fanantenana Vaovao avy any Paris ianareo hoy Ingahibe Amiraly Didier Ratsiraka niverina teo amin’ny fitondrana tamin’ny 1995-1996.

Dia adala nitotorebika foana ny vahoaka é ! Ataoko manankarena 4 L isan-tokantrano amin’ny alalan’ny Fahamarinana sy Fahamasinana ianareo hoy i Masindahy Marc Ravalomanana. Dia mbola nino fotsiny ihany sy nifaly havanja koa ny vahoaka malagasy mahantra é.

Ataoko sesika Fitiavana sy ataoko voky Demokrasia hatreny an-tenda kely ianareo hoy i Andry TGV sy Rolland Ratsiraka ary ry Alain Ramaroson sy ny Jeneraly Rasolosoa Dolin. Dia mbola mafana fo mitolona sy milatsaka ao ambovon’ny Frantsay indray koa ny vahoaka Malagasy mahonena.

(...)

Tsy misy hatak’andro

Misesisesy manao tohy vakana ireo mpitarika tolona mampanantena poakaty antsika vahoaka. Fa vao tonga eo amin’ny fitondrana ry zalahy, dia mameno paosy fotsiny no ataony. Halatra volam-bahoaka no hany fenitra politika tanterahany. Halatra ! Halatra ! Halatra ! Na mivantana io na an-kolaka. Na izy mivantana, na amin’ny alalan’ny havany sy ny namany.

Hany ka tsy misy sahy sy tsy misy mazoto manangana ilay Haute Cour de Justice izay natao hitsarana an-dry zareo sy ny asa ratsy ataon-dry zareo izy rehetra rehetra ireo.

Koa tapitra hatreo izany gaboraraka mambotry vahoaka izany manomboka izao. Andao ajorontsika vahoaka tsy misy hatak’andro ny Fitsarana Avo momba ny Fahamarinana vita rakitra sarobidy ao anaty Lalampanorenana.

(...)

Tsy iandrasana Fanjakana sy tsy itavandrana mpitaritolona izany. Fa ajorontsika vahoaka miaraka amin’ny Andrimasom-pokonolona izay mijoro araka ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny Firenena. Ajorontsika miaraka amin’ny Foloalindahy sy ireo mpitsara. Ka ry zareo mpitsara no mandrafitra ny ara-tekinika. Ny Foloalindahy no miantoka ny fandriampahalemana. Ary ny Andrimasom-pokonolona no miadidy ny hasin’ny fahefambahoaka. Tolona mavaivay be izany. Fa vita izany rehefa atao.

(...)

Izay meloka dia any am-ponja

Tsotra be sady tokana ny adidy aman’andraikitr’io Fitsarana Avo momba ny Fahamarinana voarakitra ao anaty Lalampanorenana hatramin’ny taona 1975 ka hatramin’izao io.

(...)

Ireo mpitondra ambony ho tsaraina dia voafaritra mazava tsara. Filohan’ny Repoblika, Praiministra, ministra, CSR (Conseillers Suprêmes de la Révolution), Lehibena Andrimpanjakana toy ny Prezidan’ny Sénat, Prezidan’ny Antenimieram-pirenena miaraka amin’ny Depiote sy Loholona, ary Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana sy ireo mpitsara avo namany, teo koa ny Filohan’ny CMD na Komity Miaramila momba ny Fampandrosoana, sns…, sns…

Tsy ho very anjara amin’izany koa ireo Governoran’ny Banky Foibe, ireo Sekretera Jeneralin’ny Ministera ary ny Talen’ny Kabinetra ary ireo Tale Jeneralin’ny Orinasam-panjakana. Ary farany dia eo ireo Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, Komandin’ny Zandarimarim-pirenena ary Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena.

Izay iharan’ny fitoriana mari-pototra arahan’ny porofo tsy azo lavina ihany no miakatra Fitsarana. Izay tsy meloka dia afaka madiodio. Izay meloka dia gadraina any am-ponja.

Tsy maintsy mbola hisy fanampim-panazavana misimisy mikasika ny fananganana an’ity Fitsarana Avo momba ny Fahamarinana ity. Miaraka amin’ireo FEPETRA FAMENO na mesures d’accompagnement vitsivitsy.

Mazava loatra fa tsy hahafaly velively ireo mpitondra ambony manana fitondran-tena mampiahiahy ity sosokevitra ity. Maro ry zareo no hitsivalana sy hiady mafy tsy hahatanteraka azy ity. Fa saingy sosokevitra mahasoa ny vahoaka sy ny Firenena izy ity. Satria sady mahatafavoaka antsika amin’ny krizy politika dridrangilo sy miverimberina no mahatafavoaka antsika amin’ny fahantrana. Ary tolona mari-pototra sy asa masina ka tsy maintsy tanterahana sy ajorontsika vahoaka.

Belanto (nofintinin’i madagascar-tribune.com)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS