Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 18h57
 

Malagasy

Vono olona tany Morombe

Ahiana ny valifaty !

vendredi 7 décembre 2007 | Nivo T. A.

NIteraka resabe tany amin’ny distrikan’i Morombe sy Toliary ny vono olona nitranga tany Ambahikily, izay nahafaty ilay mpividy vokatra, fantatra amin’ny anarana hoe Niriko Ralay, ny 30 oktobra lasa teo.

Araka ny vaovao azo avy amin’ny fianakavian’ny maty dia efa nosamborin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana ilay olona nahiana ho ati-doha nikotrika izany vono olona izany.

Nentina tany amin’ny fampanoavana tany Morombe ilay voarohirohy saingy nahazo fahafahana vonjy maika. Tsy afa-po tamin’izany fanapahan-kevitry ny fitsarana izany ny fianakaviana ka nametraka fitoriana tany amin’ny BIANCO tany Fianarantsoa izay miandraikitra ny faritr Toliary. Nandefa fitoriana aty amin’ny « brigade criminelle »-Anosy ihany koa ireo fianakaviana ary nandefa taratasy any amin’ny tompon’andraikitra isan-ambaratonga mba hijery akaiky izao raharaha izao. Heverin’ny fianakaviana fa misy kolikoly ambadik’izao nanafahana ny olona voarohirohy ho namono olona izao.

Manahy mafy ny hisian’ny valifaty ny olona any Toliary satria hitan-dry zareo miriorio eny ilay olona voarohirohy.

Tany tan-dalàna moa isika eto Madagasikara koa antenaina fa hisy ny fandraisana andraikitra ataon’ny manam-pahefana mahefa mba tsy hisian’ny valifaty, izay mampikorontana saim-bahoaka sy ny fiaraha-monina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS