Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 13h17
 

Tsakotsako

Ahiahin’ny « zoky »

jeudi 2 octobre 2008 | RAW

Raha tafaresaka tamin’ireo mpiara-miasa amin’ny mpanao gazety sy tamin’ireo mpanao gazety tranainy sasantsasany dia sadaikatra ihany ny tena satria eo am-perinasa ary mahatsapa ho tena mbola misy lesoka na dia efa miezaka mafy aza mba hanara-penitra. Sarotra tokoa ity asa ity.ary mihaiky ny tena fa mila mailo sy matsilo tsy an-kiato mba tsy handiso fanantenana ny mpamaky ny tena ao anatin’ny fahamarinana sy ny soatoavina malagasy sy fitsinjovana ny tombotsoan’ny daholobe.

« Fa angaha tsy misy fotokevitra ifanarahana sy ifampitondrana eo amin’ny asa fanaovan-gazety », hoy izy ireo ? « Ary indrindra indrindra toa adinonareo tsikelikely ny soatoavina malagasy toy ny fahendrena sy ny fanahy maha-olona », hoy ihany izy ireo.

« Izahay, hoy izy ireo nanohy ny resaka, tsy am-perinasa intsony fa mpamaky toa ny olona liam-baovao rehetra fa dia efa mankaleo mihitsy ity tsy fijerenareo ny maha-malagasy antsika ity. Ekena fa ireo ny zava-misy : vono olona atsy, fanolanana aroa, fangalarana sy herisetra miaro habibiana manginy fotsiny. Ary tsy misy manakana ny tsy ilazana ireny. Saingy tokony jerena ihany ny fomba ilazana azy am-pahendrena, amin’ny fandanjalanjana ny zavatra tiana hampahafantarina ny vahoaka. Ary indrindra koa ho fiarovana ny asa fanaovan-gazety. Raha izay no tsy vita tsara dia mampihen-danja ny asa maha mpanelanelana sy mpampita vaovao ny asana mpanao gazety », hoy izy ireo manantitrantitra.

Fantatra avy hatrany moa ny tian’izy ireo ambara ary mampahatsiahy ny resaka nifanaovana tamin’ny ministry ny Fifandraisan-davitra sy ny Serasera indray andro tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray tao Antaninarenina.

Fa ny tena mampiahiahy ihany koa dia ity « Internet » ity. Ny fantatra hatramin’izao dia tsy misy mahafehy ny fampahalalam-baovao sy ny firohotr’izy ity maneran-tany. Nanandrana ny Sinoa farany teo nandritra ny « Lalao Olimpika » fa tsy nahovoka firy amin’’ireo zavatra tian’ny olona hambara ao anatin’io « internet » io. Tena mametraka fahasahiranana maneran-tany mihitsy, ary indrindra indrindra ho an’ny asa fanaovan-gazety. Satria rehefa ao anatin’io « internet » io dia toa tsy mampiasa firy intsony ireo tarigetra sy fenitra nimatesana amin’ny asan-gazety mahazatra ; na tsy mandaitra firy intsony ny ezaka natao sy nampiharina hatrizay mikasika ny « déontologie » sy ny etika. Toa tsy mipetraka intsony ny fanontaniana hoe marina ve izany fa dia hoe voalaza sy hita tao amin’ny « internet » !

Ka marina daholo ve izay voalaza ao amin’ny « internet » ? Misy lalàna ve mikasika ity loharanom-baovao ity eto amintsika ? Indrindra isika izao dia tafiditra ao anatin’ny vondrona maromaro toa ny SADC, ny COMESA, ny COI ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS