Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 00h05
 

Malagasy

Aorian’ny 16 Martsa

Ady hevitra vaovao no hipetraka

mercredi 12 mars 2008 |  362 visites  | Naivo kely

Any amin’ny mpifidy ny baolina. Na ho toy inona ny fanazavan-kevitra entin’ny fanjakana sy ny kandida tohanany, ary toy izany ny mpanohitra, dia ny mpifidy no tompon’ny teny farany.

Hiainga ny alatsinainy ho avy izao ny fanehoan-kevitra politika maro samy hafa. Raha vitsy ny mpifidy handeha handatsa-bato, dia toa midika faharesena ho an’ny mpitondra io. Faheresena satria tsy maharesy lahatra ny olona ny tetika entiny hampandrosoana ny faritra. Miainga eny anivon’ny faritra anefa ny tetika hanarenana an’i Madagasikara.

Tsy azo sarotsaromana toy ny taloha ny isan’ny mpifidy ho avy, satria samy hanara-maso ny tena marina ny rehetra.

Raha maro ny mpifidy tsy hanary ny zony, dia taratry ny fampandrosoana avy hatrany kosa izay. Vonona ny vahoaka hifanome tanana amin’ny mpitondra. Ho gina eo ny vavan’ny mpanohitra. Izany hoe hisy ady hevitra goavana aorian’ny datin’ny fifidianana ny 16 Martsa izao. Ny angatahan’ny vahoaka, dia ny ahafantarana ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana marina. Misy hijerena ny isan’ny vahoaka nandeha nadatsa-bato io.

Tsy azo teriterena amin’ny safidiny ihany koa ny olona, fa dia ny fahaizan’ny rehetra mandresy lahatra amin’ny kabary tsara lahatra no hampazoto na tsia ny vahoaka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS