Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 12h40
 

Malagasy

Tapa-kila Taxi-be

1000 ar no sazin’izay mandrovitra

samedi 31 mai 2008 |  613 visites  | Manjaka Hery

Izay mpandeha tsy manana, manary, na mamotika tapa-kila dia voasazy handoa 1 000 ariary hoan’ny zotram-pitaterana iray eto an-drenivohitra. Hoan’ity zotra ity, izay mampitohy an’Amboditsiry amin’ny Tanjombato dia sarobidy ny tapa-kila. Somary hafakely mantsy ity tapakila ity miohatra aminin’ireo zotram-pitanterana hafa mahazatra.

Tapa-kila taratasy mifono « plastique ». Izany hoe tapa-kila « plastifié ». Somary ngezangeza tsy toy ny mahazatra. Tsy mitambatra intsony fa mitsitokatokana. Sahala amin’ireny « jeton » ireny. Somary lafo ihany noho izany ity tapa-kila ity. Izany indrindra no tsy maintsy hamerenan’ny mpandeha ny tapa-kilany rehefa midina ny taxi-be.

Izay no mahatonga ny fitsipika somary hafahafa ato anatin’ity zotra ity. Izay mpandeha tsy manana, manimba, na tsy mamerina ny tapakilany rehefa hivoaka ny fiara dia voasazy handoa

1 000 ariary

Izany fitsipika rehetra izany moa dia efa voasoratra eo amin’ny tapa-kila ka azon’ny mpandeha vakina tsara. « Tapakila fanamarinana, averina rehefa mandeha. Aza aforitra na simbaina, » izany no soratra hita eto amin’ity tapa-kila ity ankoatra ny laharan’ilay zotra, ny laharan’ilay fiara, ary ny laharan’ilay tapa-kila.

Efa ho tapa-bolana izay no nampiharan’ity zotra ity izany fandaminana hafakely izany araky ny fanambaran’ny mpanampy mpamily iray. Tsy mbola nisy aloha ireo mpandeha nitaraina. Saika namerina ny tapakilany avokoa moa ireo mpandeha rehefa midina ny fiara. Misy ihany anefa ireo mpandeha somary maneso ilay tapa-kila na dia vitsy aza izy ireo.

Araky ny filazan’ny mpanampy mpamily nanontanianay ihany dia tsy manohitra izao fomba fiasa izao ny ATT na « agence des transports terrestres. » Toa izany koa ny « Direction du transport ». Raha hoan’ny mpandeha indray dia mora tahirizina ilay tapa-kila. Miha madio koa ny tanàna satria ny ankamaroan’ireo loto eny amoron’ny arabe rehetra eny dia ireo fatina tapa-kila taxi-be...

Hoan’ny taxi-be indray dia mihena ny fandaniana isan’andro ho an’ny fividianana tapa-kila homena ny mpandeha. Somary mandany vola kely manamboatra tapa-kila « plastifié ». Fa indray mandeha ihany no mandany vola dia samy vita.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS