Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 16h59
 

Répondre à un commentaire

17 avril 2018 à 19:58 | valoha (#7124)

Toa zao lava ve no fiainana eto !? Rarana, sakanana ny hafa raha mba te haneho ny heviny ?! Mifandimby mifamaly faty eto foana ? Tsy ho lany andro eto ve isika mianakavy ? Rahoviana vao mba hizotra milamina, malalaka, tsy hisy halabato, tsisy teritery ny fifidianana eto ? Taratra avy hatrany fa tsy hanjary ny fitondrana hanaraka eo, na inona hiatra na ino-kidona ! Maninona raha mba mifanome tanana / mifandefitra daholo mijery izay hahasoa sy hampandroso ny Tany sy ny Mponina ao aminy, ny Taranaka Malagasy ?! Sa baiko avy any ivelany indray izao mba hikorontana isika, dia ho tavanin’ny vahiny mora foana ny harem-pirenena Malagasy(toa ny mahazatra) ! Maninona raha mifampikaon-doha manasa ny avara-pi...Malagasy miara-mitady lalana hanovana ny Lalana eto / ny Rafitra lomorina nisy ? Mba tsara ihany isika mijery ny hevitry ny sasany, dia mifandinika miaraka ny tokony ho atao - efa noresahin’i Laza Raz. izany ! Mbola novetesin’i Gilbert Rahar. ihany koa tao @ ny Fandaharana Manokan’ny TV Plus tsy ela kory izay, ohatra ! Koa inona no handrasana ? Ra handriaka ve ? Hita fa tsy mandeha na izao na ny teo aloha rehetra ny raharaham-pirenena !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS