Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 13h09
 

Répondre à un commentaire

16 avril 2018 à 11:27 | lysnorine (#9752)

@ RAMBO 14 avril à 10:09
« [...] Ce n’était pas les MDRM ...qui ont tué Botovasoa mais ... [ ON a, semble-t-il ] profité de l’événement de 1947 pour éliminer cet instit catho engagé. »

Hoy ny fampahatsiahivanay etsy aloha [ lysnorine 14 avril à 22:15 ] :

« Mpianany tao amin’ny sekoly katôlika notantanany ihany no anisan’ ireo nanapa-doha azy. Araka ny fehin-kevitr’i mompera DEGUISE kosa dia tsy antony pôlitika no namonoana azy :
« Il ne fut pas condamné pour raison politique » [Louis Deguise, Le Maître Lucien BOTOVASOA (1908 - 1947) http://www.dioceseantsiranana-oloraiky.com/1/upload/lbotovasoa.pdf] p.12..

Fanazavana famenony no arosonay manaraka, sao misy diso fihevitra ka manao hoe tantara noforinay izany hamadihana ny toe-java-nitranga mba hanadiovana ny antsoin-dry mompera sy ny manam-pahefana katôlika eto hoe « indépendantistes » na mpomba ny fahaleovantena izay eritreretina avy hatrany fa midika hoe ny MDRM na dia tsy mety tononon’izy ireo mivantana ary ilay anarana ka izay no nahatonga anay nametraka foana ny (?) manaraka azy.

Ny naoty faha-17 avy amin’ny RP François Noiret sj ao amin’ilay lahatsoratry ny RP Louis Deguise, « Le Maître Lucien BOTOVASOA (1908 - 1947) », www.dioceseantsiranana-oloraiky.com/1/upload/lbotovasoa.pdf, no nanambara an’io :

« Les tueurs étaient des jeunes qu’il avait enseignés à l’école ».(p.14). Hoy ihany koa izy
« Ils sont trois bourreaux, ses anciens élèves » (p.28). Azo tombanana ho mpikambana koa tamin’ilay antokon’ny « indépendantistes » izany ireo mpianatra taloha tamin’ny sekoly katôlika nanapaka ny lohan’i Tpkl Botovasoa ireo. Saingy tsy nety nanome fanazavana momba io antokon’ny « indépendantistes » io sy izay SAMPANY TAO Ambohimananarivo na ny RP Louis Deguise na ny Rp François Noiret sj.

Tsy azo heverina mihitsy anefa hoe tsy nahalala ny fandehan’ny toe-draharaha ara-pôlitika teo an-toerana sy ny momba ny fisiana teti-pikomiana taloha ny 29 Martsa 1947, ary ny fizotrany tao aoriana, ny misiona katôlika Lazarista izay efa ampolo taona maro no nivelarany tamin’ny morontsiraka atsimo atsinanana sy ny fifandraisany tamin’ny kôlônialista : Nanomboka tamin’ny nanendren’ny Vatican an’i Mgr Cazet ho « vicaire apostolique de Fort-Dauphin » tamin’ny...1896 izany. Dieny tamin’ny taona 1898 dia efa nanokatra sekoly tao Vohipeno ny misiônera lazarista ka niisa 214 ny mpianatra, 100 ny ankizilahy ary...114 ny ankizivavy. Ankoatr’izany koa nisy « sœurs de Saint-Vincent de Paul »niara-niasa tamin’ny misiônera lazarista tao Vohipeno tahaka ny tany Fort-Dauphin (Taolanaro), sy Vangaindrano ary Farafangana tamin’iny morontsiraka iny. [Édouard Robert, Nos missions à Madagascar, Conférence prononcée à « la Société des Conférences » le 27 janvier 1928]. Tsaroana ary manamafy izany fa mompera avy ao amin’ny misiona lazarista tao Fort-Dauphin no efa nahafantatra ny tetiky ny mpikomy tamin’ny 29 Martsa 1947 tao amin’ny faritra ka nampandre ny manam-pahefana ny 29 martsa maraina. . Toy izao ny tatitra momba izany ao amin’ny JORF, Débats parlementaires, Assemblée nationale, 1re séance du vendredi 9 mai 1947, p. 1546]
« M. le ministre de la France d’outre-mer [...]
« Et le 29, à neuf heures, c’est le chef du district de Fort-Dauphin qui annonçait :
« “Un PRÊTRE MALGACHE de la MISSION CATHOLIQUE de Fort-Dauphin a avisé à l’instant, très confidentiellement, des intentions du parti démocratique de rénovation malgache d’attaquer tous les Européens ce soir 29 mars. Ce missionnaire (Malgache ?) a beaucoup insisté pour que des précautions soient prises et précisé qu’entre autres buts, les intéressés se proposaient de détruire certains bacs.
“La sécurité militaire, alertée immédiatement, déclare avoir été avisée des incidents possibles du 29 mars. Le signe de ralliement serait l’île de Madagascar sur brassard noir. Toutes mesures de sécurité déjà prises en liaison avec l’armée coloniale et la police pour prévenir incidents éventuels, districts et postes avancés. Je rendrai compte situation demain 30 mars.” »

Arak’izany dia azo heverina fa mety misy lafiny pôlitika ihany ny antony namonoana an’Itpkl Botovasoa fa tsy arak’ilay filazan’ny RP Deguise hoe tsy misy an’izany, indrindra fa araka ny nosoratan’ny Rp François Noiret sj dia efa nanapa-kevitra ny hiditra amin’io antokon’ny « indépendantistes » io izy sy ny katekista Léonce ny alarobia 16 Aprily nialohan’ny namonoana azy, mba hahazony manokatra ny sekoly sy ny fiangonana tao Vatomasina izay efa nakatona izany.

« le mercredi 16, Léonce le catéchiste et lui envisagent de prendre la carte du parti pour réouvrir l’église et l’école. Or, le soir même, à la maison clanique, le roi décide sa mise à mort, ainsi que celle de six autres petits FONCTIONNAIRES QUI ONT SURVÉCU (!) », www.dioceseantsiranana-oloraiky.com/1/upload/lbotovasoa.pdf (p.26) .
Tena mahavariana tokoa ny tsy namonoan’ ireo « indépendantistes » ireo ireto mpiasan’ny fanjakana kôlônialy enina ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS