Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 12h02
 

Répondre à un commentaire

12 février 2018 à 12:39 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Inona intsony moa izany no azo lazaina hoe raharaha madio sy azo antoka fa mizotra antsakany sy andavany araka ny tombotsoam-pirenena sy tombotsoam-bahoaka amin’izao zavamisy izao e ?

Ny harempirenena iombonana, alaina ankeriny tsy hifampierana na atao sintomahery any ampotony eo antànan’ny tompony, dia naondrana ampahibemaso, dia niofo andàlana ho remby nobaboina sy harena notovozina aminkafetsena, ary farany indro fa nivadika tanteraka ho fanana’olombitsy mangarahara tsy misy pentina tsy iombonana aminkafa.

Ny volambahoaka indray, hetra sy haba ary tamberimbidy, rehefa voavory anaty kitapo iombonana, dia indro indray fa atao fanahy iniana, borahana tsy misy henatra sy tahotra, ka entina amin’ny tsenambaropanjakana hividianana amimpahasahiana entana lafovidy tsy laharampahamehana, mba hanilihana masonkarena sy tombotsoa midangana, ny masonkarena avo sanda handripahana ny tahirimbolambahoaka, fa ny tombotsoa notazana kosa tamin’ny fividianana lafo tsy mitsinjo volambahoaka, indro fa voahodin’ny tsikombakomba miafina ho harena sy tahiry mipetraka ho an’olombitsy voafantina.

Ny vola niombonana niarahana namory sy nihary, indro fa niofo miandalana ho ezaka fihariankarena ho an’ny sasany kinga tànana sy mpahay manova ny hita maso lasa manjavona.

Eny ary moa fa atao ahoana, afaka hanao inona moa manoloana ny tanjaka sy hery ary fahefana, fa ny tsy azonareo hotsoahina amin’ny vahoaka dia ny tadidy sy ny tsiaro, ireo roa ireo tsy mba very rahoviana velively !!!!

« Anaran’ahitra no misy tsy hita fototra, anaram-biby no misy anoano, fa ny teny tsy mba misy anoano » .

« Aza ny tompon’ omby terena no ampisotroina ny hontsam-boatavo » .

« Aza dongidongy miendrika androngo, ka mandany ny tsaramasom-bahoaka » .

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS