Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h14
 

Répondre à un commentaire

8 février 2018 à 17:04 | Vohitra (#7654)

Miarahaba ry namana Kozobe,

Tsy fantatro raha sahala amiko ianao, mahatsiaro menatra sy mangaihay rehefa mahita ny vahiny mitsikera sy mampiseho ny fahalovana sy ny fahasimban’ny fitantanandraharaha arapanjakana eto amintsika, indrindra ireo tsikera marimpototra sy miharihary toy ny vay ankandrina.

Topazo maso anie ny fanehoankevitra voalohany amin’ ity lohahevitra misy antsika eto ity e !
Efa nanomboka tany amin’ny 1975 tany no nisy ny kolikoly sy fanodikodinana vola mivantana na ankolaka, ny fanaovana hosoka sy fisolokiana, ny fitantanana mibirioka ny volapanjakana mankany amin’ny tombotsoan’olombitsy...

Ny fanontaniana mipetraka dia hoe :
- Fa inona no mba nataontsika Malagasy amin’ny ankapobeny nentina namongorana izany hatrany amin’ny fotony hatrizay ka mandrak’ androany ?
- Efa mihanaka any amin’ny vahoaka tsy ankanavaka, na mpitondra ambony na olontsotra fehezina, ny toetsaina vonton’ny fankamamiana kolikoly sy fanekena ny harena maloto, dia mba nisy vahaolana nampiharina ve teto ka mba nahafahana mitsabo sy mifehy izany aretimandoza ara-piarahamonina efa mby ankoditra izany ?

Tsy azo omentsiny mihintsy ny vahiny raha manao tsikera toy io satria zavamisy iarahana mahita no lazainy, ary notsoriny fa ny toetsain’ny Malagasy mihintsy no efa raiki-tampisaka sy mankato ary miondana amin’ny fanaovana kolikoly sy hosoka. Raha ny heviny no dinihina, dia tokony tsy handaniana andro akory no hiresahana izany satria heveriny fa « zavamisy mahazatra ekentsika ary fombatsika hiainantsika ny kolikoly sy halatra » .

Omentsiny tokoa ve izy raha miteny izany ?
Jerempotsiny eto amintsika ny olona lasa manankarena tampoka tsy fanta-pototra, ny fampiasan-kery tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna, ny olona sady tsy manana fahalalana sy fahaizamanao nefa omena andraikitra sy fahefana, ny fitondrantena mamoafady, ny amboadia sy devoly milanja soratra masina, ny hosoka sy hafetsena entina hangalarana tany...

Fa inona no mba nataontsika teto ka nandraisana andraikitra hisorohana izany sy hamongorana izany ? TSY MISY , FOANA, VERY ANJAVONA.

Ny antony dia tsotra amiko : izay ezaka kely mba atao dia alaina tahaka amin’ny zavamisy any ampita, fa saingy ezaka tsy mifanaraka sy tsy miorimpaka mihintsy amin’ny fomba Malagasy .

Ity resaka zon’olombelona sy finoana ity dia mitaiza sy mikolokolo ny toetsaina tsy maty manota eto amintsika.

Izay tratra sy voaporofo miharihary fa mangalatra sy manodina vola ary fitaovampanjakana dia avy hatrany omena sazy anterivozona mandrapahafaty ary tsy azo omena famotsorankeloka intsony e. Izany ihany no làlantokana nentin’ ireo razantsika nandaminana ny fiarahamonina hatrizay, ary izay ihany no vahaolana amin’io. Tsy tokony asiana resaka fitsinjovana ny zon’olombelona sy resaka fivavahana izany fa rehefa vita ny fitsarana tsy mitanila dia ampiharina io sazy io, na iza na iza no tratra, ary na ohatrinona na ohatrinona no nangalariny.

Asio fitsarana sy fonja isaky ny distrika dia handeha io, ary terena hanao fanambaram-pananana ho fanta-bahoaka ny mpitsara sy ny mpitondra ara-panjakana rehetra. Ataovy lalàna ange ny hoe ny fanaovana hosoka amin’ny fanambaram-pananana dia atao ho voasokajy ho halatra amin’ny fanjakana, ireo no mitambatra asiana fampiharana dia ho hita fa tsy haharitra ela ny hamongorana ireo meloka.

Eto amintsika, entina hiarovana ny mpangalatra sy mpisoloky ny resaka zon’olombelona, ny fivavahana, ny fihavanana ary...ny foko sy fihaviana.

Mankasitraka ry namana Kozobe

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS