Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 17h01
 

Répondre à un commentaire

8 février 2018 à 08:42 | lysnorine (#9752)

@ Vohitra 7 février à 14:59
« [...] ce qu’on entend vraiment par le terme “côtier” ? »
(Tohiny sady farany)

Hoy RAZAFINDRAKOTO Emmanuel, tamin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazetiny Ny Feon’i Madagasikara, nitondra ny lohateny hoe : « Ny Raharahan’ny Fihantsiana teto Madagasikara », [N°397, Zoma 23 Desambra 1966, p.2.]

« Iza kosa moa no tsy ho gaga sy talanjona, indrindra ange fa IZAHO, izay mpanoratra matetika, ny famisavisana mba ho fanta-bahoaka, ny tetika naboraka TAMINAY raha nanao fivoriana IZAHAY, mpikambana tao amin’ny G.E.C [Groupe d’Études Communistes], tamin’ny taona 1946, tao Analakely, tranon’ny Framasao taloha, ary nafindra ho fananan’ny France Combattante, raha vita ny ady lehibe faharoa 1939-1945.

« Fivoriana natao ho fihainoana vaovao avy tatsy La Réunion no antony, nefa, ka niborioka [nibirioka] zavatra hafa nampihorin-koditra, no nampiarahina taminy. Iza akory moa no nahalala ny fisian’ny antoko PADESM raha tsy vao tamin’izay fivoriana nataonay izay ?

« Ny namoronana ny antoko PADESM, dia nampivondronana ny mainty sy ny tanindrana sasantsany ihany, ho mpanohitra sy mpanenjika ny fitakiana ny fahaleovantenan’i Madagasikara. »

Hoy moa Itpkl.RAMAMBASON, tamin’io fivoriana io :

OMEO FIADIANA IZAHAY AHAZOANAY MANAJEDAKA HAINGANA NY HOVA SY NY BETSILEO FA IZAY TSY TE-HIARA-MONINA AMIN’IREO IZAY VITSY AN’ISA OHARINA AMINAY SY NY TANTSIRAKA. IZAHAY TSY MILA INDRAY ANDRO IZANY FAHALEOVANTENA IZANY FA NY ANDRIANA SY NY HOVA NO MITADY AN’IZANY HAMERENANA NY FANANDEVOZANY FAHA-FANJAKANA MALAGASY FAHIZAY.

« Lors du passage à Tananarive du député (communiste) KRIEGEL VALRIMONT en JUIN 1946 après une enquête faite à La Réunion sur la cause de la mort du regretté de Villeneuve. [...]

« Voici ce que dit Monsieur RAMAMBASON : “Moi, mes amis et messieurs, je suis descendant des fils des anciens esclaves malgache.

“Je me tiens debout devant vous pour les raisons suivantes.

“C’est au nom (?) des descendants d’anciens esclaves que je me lève et que je vous expose ce qui suit :

“JAMAIS, NOUS NE RECHERCHONS CETTE INDÉPENDANCE. Vous devriez savoir que ceux qui veulent recouvrer cette indépendance sont les ANDRIANA et les HOVA habitués à tenir les règnes (sic) du gouvernement du temps Malgache, ceux-là SEULS et leurs descendants. Ils font cela parce qu’ils regrettent la perte de leurs prestiges et qu’ils veulent de nouveau nous réduire à l’état d’esclaves. [...]

“les descendants des anciens esclaves avec les côtiers, comptent trois millions d’individus, alors que les ANDRIANA et HOVA , avec les BETSILEO n’en comprennent que 500 000. À cause de cela, nous tenons à vous faire connaître que NOUS NE VOULONS PLUS VIVRE AVEC EUX ET DONNEZ-NOUS DES ARMES POUR QUE RAPIDEMENT NOUS PUISSIONS LES ABATTRE car non seulement ils VOUS GÊNENT en recherchant leur INDÉPENDANCE mais ils NOUS ENNUYENT en voulant RESTAURER L’ESCLAVAGE qui a été aboli depuis longtemps”. »

[Notsoahana avy amin’dRazafindrakoto Emmanuel, Suspicion cause de l’inimitié”, lahatsoratra niseho tao amin’ny « Gazety “Ny Fijoroana”, Laharana tamin’ny Zoma 25 Avril 1947, izay naveriny tao amin’ny gazetiny “Ny Feon’i Madagasikara”, Taona faha-30, N° 1015 Azoma 30 mai 1986, pp. 2, 3, 4. , teo ambanin’ny ny lohateny hoe “Tsingerin-taona faha-39 manodidina ny 29 marsa 1947-29 marsa 1986”.]

Farany momba izany fisian’ny hoe fitsipi-pitondran-tena tsy voasoratra mandrara ny haha-foko iray no hiavian’ny prezidàn’ny Repoblika sy ny Praeministra :

HEVI-POTSY izany, izay naroson’Ingahy Ratsiraka sy ny niara-nitondra taminy rehetra, hatramin’ny 1975 no ho mankatỳ, izay samy zaza navelan’ny « KÔLABÔ » PADESM, na koa avy amin’ny PDM (Parti démocratique malgache, ny Prôtestanta « frantsay » izany) na avy amin’ny MSM (Mouvement social malgache, dia ny zatovo Katôlika notefen’ny Zezoita tao amin’ny Collège Saint-Michel teto Antananarivo, taorianan’ny fikomiana tamin’ny 1947), na avy amin’ny mpivarotra tanindrazana tao anatin’ny fikambanana hoe miafina JINA sy PANAMA teo ambany saokan’ny Sûreté coloniale.

Fanavaozana kely fotsiny ireo foto-kevitra nijoroan’ny PADESM hatrizay hatrizay, mba hampifanarahana azy amin’ny toe-draharaha ankehitriny. Tsarovana fa tsy nisy ary tsy nisy nilana azy izany PM izany nandritra ny fitondran’Itpkl. Tsiranana, ary hita fa niroso tsara foana ny fitantànana ny raharaham-panjakana : ny prezidàn’ ny Repoblika ihany no lehiben’ny governemanta.

Fakan-tahaka befahatany ny fomba frantsay no nataon’Ingahy Ratsiraka sy ny nanoratra ny Lalàm-panorenana tamin’ny 1975. Mbola mitombina, araka ny fijerinay, ny FANAFOANANA ny fisian’ny PM, satria sady FITSITSIAM-BOLAM-BAHOAKA no fisorohana ny fisian’ny ady fahefana araka ny fanakianana na fampitandreman’ny Ntaolo hoe :

« Akoholahy maro an-drova ka samy te-haneno avokoa, samy miady ho lohany avokoa tahaka ny mitoto vary lena. »

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS