Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 02h31
 

Répondre à un commentaire

8 février 2018 à 08:34 | lysnorine (#9752)

@ Vohitra 7 février à 14:59 | (#7654) répond à plus qu’hier et moins que demain ^

« [...] est-ce qu’on pourrait donner une définition, même sommaire, de ce qu’on entend vraiment par le terme “côtier” ? »

Teny frantsay moa ny teny hoe « côtier » fa amin’ny tompon-tany Malagasy miteny ny tenin-drazany dia TANTSIRAKA no heviny, izany hoe ny MPONINA amin’ny tany an-tsisin-dranomasina, [AMORON-TSIRAKA, na amoron-dranomasina] - na toa inona na toa inona izany izay FOKO fiaviany na FIRAZANANY.

TANIVO indray kosa no fiantso ― araka ny tokony ho izy aloha ! ― ny MPONINA amin’ny ANIVON-TANY na AFOVOAN-TANY na toa inona na toa inona ihany koa ny FOKO fiaviany, na ny FIRAZANANY.

Ny TANINDRANA indray dia ny MPONINA amin’ny « ANINDRAN-TANY ». Ny hoe« an’indran-tany », hoy ny diksiônera Malzac, dia filazana ny IVELAN ’izay FARITRA misy ny tena, izay onenan’ny tena izany : « adv. En dehors de la province où l’on se trouve. » TOERANA ihany izany ― tahaka ny hoe TANTSIRAKA sy TANIVO rahateo ― no hevitra fononosin’ny hoe TANINDRANA fa tsy filazana FOKO FIAVIANA na FIRAZANANA akory.

Ny PADESM sy ny hoe « CÔTIER »

Fa nofonosina hevitra hafa kely kosa, teto Madagasikara, ny fampiasana ny teny frantsay « CÔTIER », indrindra taorian’ny nampananganan’ny Governemanta frantsay, sy ny fanjakany nitantana ny fanjanahany teto an-toerana, ny PADESM na Parti des Déshérités de Madagascar tamin’ny 1946. Ny antony kendreny moa dia ny hanoherana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara takin’ny depiote MDRM (Mouvement de la Rénovation Malgache), ny hanabeazam-boho ny firaiketam-po tanteraka amin’i Frantsa, ka fomba iray nampiasainy dia ny nanaovana SAFO BE MANTSINA tamin’ny teny hoe « CÔTIER », ny tompon-tany Malagasy rehetra TSY HOVA [Fotsy]. izay hoe misaotra sy midera ary mankalaza tokoa ny « Reny malala » mandrakizay doria, noho ny hoe nanafahany azy ireo tamin’ny ziogan’ny fanandevozan’ ny Fanjakana « Hova » na « Merina ». [« HÉGÉMONIE » MERINA na HOVA koa no fampiasan’ny zaza na zafikely na zafiafy navelan’ny PADESM taty aoriana, indrindra indrindra taorian’ny nandraisan’Ingahy Ratsiraka ny fitondrana tamin’ny 1975.]. Dia nampiraina ― matetika, ary mandrak’ankehitriny aza ! ― ny hoe :
« CÔTIER » = PADESM = tsy mila fahaleovantena, etsy an-daniny, ary
« HOVA » = MDRM = mitady fahaleovantena mba hamerenana ny « Fanjakana Andriana » sy ny « fanandevozany », etsy an-kilany.
Natao HANATEVEN-DAHARANA ny Maintienindreny sy ny « Hova Mainty » teto ampovoan-tany izany nanitarana ny hevitry ny hoe « CÔTIER » izany , ka ny HAMONDRONANA azy ireo ao anatin’ny PADESM no tarigetra nasaina notratrarin’Itpkl. RAMAMBASON, mpanorina ny PADESM sady sekretera jeneraliny, manambady Vazaha. Dia nataony tsianjery sy teny filamatra ny famelezana fandetry ny mpitondra fanjakana frantsay sy ny kôlônialista teto Madagasikara hoe : matoa ny Hova mitady ny famerenana ny fahaleovantena dia ny hameranana ny fanjakan’Andriana sy ny fanandevozana fahizay. Tsy mbola nilaozan’ny toetr’andro izany amin’ireo zaza navelan’ny PADESM manerana ny fitondram-panjakana eto Madagasikara ankehitriny sy ny sehatra hafa.

Alohan’ny ny hampahatsiarovana ny foto-kevitra nijoroan’ny PADESM araka ny nambaran’ Itpkl. RAMAMBASON ihany, dia mety no isarihana ny sain’ny mpamaky ny amin’ny toerana notanan’ny Antoko kômonista frantsay teo amin’ny fitondrana an’i Frantsa : Saika mpikambana foana tao amin’ny Governemanta frantsay ny Antoko kômonista frantsay hatramin’ny faran’ny Ady Lehibe faha-2, tamin’ny 1945, ka MANDRA-PANDROAHAN’ny sôsialista [SFIO, na Section française de l’Internationale ouvrière] RAMADIER, lehiben’ny governemanta, azy, tamin’ny 5 Mey 1947, TAORIAN’ny nanapoahana fikomiana teto izany. Antitranterina tsara fa VOAROAKA ny ministra Kômonista fa tsy hoe nametra-pialàna, ary ny governemanta vonjy maika sôsialista, tsy misy fangarony, teo ambany fitarihan’i Léon BLUM, ihany (Desambra 1946-Janoary 1947) no tsy nandraisany anjara. Kômonista koa ― Robert BOUDRY ― no voatendry sekretera jeneraly teto Madagasikara niantomboka tamin’ny Janoary 1945 ka mandra-panesorana azy tamin’ny Ôktôbra 1946, ary nisolo toerana ny gôverinôra jeneraly nandritra ny dimy volana izy, niantomboka tamin’ny Janoary 1946 mandra-pahatongavan’ny tompon-toerana Marcel de Coppet tamin’ny 19 Mey 1946. Mazava arak’izany fa nanana anjara tamin’ny famolavolana ny famoronana ny PADESM ny Antoko kômonista frantsay.
(Hofaranana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS