Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 19h42
 

Répondre à un commentaire

6 février 2018 à 09:02 | lysnorine (#9752)

« A l’approche des prochaines élections, cet assainissement [des partis politiques] arrive à point nommé. »

Misy fomba tsotra dia tsotra azo « hanadivoana » tsara ny sehatra fanaovana pôlitika, efa narosonay teto ihany, ary tsy mila andaniana andro amin’ny fampiadiana karajia tsy mamokatra fampisehoana ny fahaizana lalàna izay mibaha-toerana be loatra amin’ny mpilalao pôlitika eto amintsika (“JURIDISME STÉRILE” no filazan"ny teny frantsay izany).
Ny votoatin-kevitr’izany dia fanovana ny lalàna mandamina ny fifidianana rehetra.

- Voalohany indrindra dia ny FANAFOANANA ity fisiana FIHODINANA ROA ity izay fakan-tahaka be fahatany ny fomban’ny any Frantsa hatrizay hatrizay. Mazava ho azy fa raha vao TOKANA ny FIHODINANA amin’ny FIFIDIANANA REHETRA, dia tsy hamatsimatsy vola foana itony kandidà mitonona ho tsy miankina itony, ny OLON-KAFA FIRENENA MPANEFOEFO - na orinasa na olon-tsotra na fanjakana izany MPANAKARAMA azy ireo. Ny antony hanaovany « investissement » amin’ ireo moa dia : Na hisakanana ny olona tsy tiany ho voafidy, hanaovana ankasomparana azy, na kosa haha-voafidy ho DEPIOTE ny SARIBAKOLINY ampitafina ny akanjon’ny hoe TSY MIANKINA eo amin’ny FIFIDIANANA Solombavam-bahoaka, ka baikona hanolotra sy handany izay LALÀNA REHETRA mahasoa ny tombon-tsoany sy ny tombom-barony.

Miteny ho azy ny FAHANGINAN’ny ANTOKO PÔLITIKA indrindra ny tsy manan-danja sy ry zareo mpanao pôlitika mpitonona ho TSY MIANKINA manoloana izany soso-kevitra izany. Araka ny naverimberinay matetika, tsy ho nisy ny korontana tamin’ny 2002 raha fihodinana tokana no nisy teto, satria TSY HO NISY NANDÀ FA INGAHY RAVALOMANANA NO LANY PREZIDÀ !

Rehefa fihodinana tokana no lalàna izany, AVY HATRANY DIA LANY izay kandidà nahazo latsa-bato be indrindra, na firy na firy no isan’ny olona voasoratra ho mpifidy nandray anjara tamin’ny fifidianana, izany hoe tsy misy hiraharahaina intsony na mahatratra na tsy mahatratra 50 %-n’-ny vato nanan-kery miampy 1 (+1) ny lanjan’ny latsa-bato azon’izay kandidà nahazo be isa indrindra, na ampahafirin’ny voasoratra ho mpifidy no tonga nifidy.

Ankoatry ny FITSITSIANA vola sy fotoana, dia mety hihena ny fanakorontana famboly ny tsy lany raha tokana ihany ny fihodinana, - izay tsahivina fa ampiasain’ny firenena maro dia maro eran-tany -, kanefa tsy dia hampihemotra firy ny demôkrasia eto Madagasikara akory izany. Tokony vao mainka aza hampandroso azy satria voatery handinika sy hitandrina bebe kokoa ny mpifidy alohan’ny handrotsahany ny vatony.

[Zahao : lysnorine-20 décembre 2016 à 09:40 , ao amin’ny « Pas de trêve de Noël ou de fin d’année », http://www.madagascar-tribune.com/Pas-de-treve-de-Noel-ou-de-fin-d,22748.html]

- Faharoa, hisorohana ny zava-doza be mananontanona ny ANTENIMIERAM-PIRENENA nasongadina etsy aloha, mikasika ny depiote mody hoe « tsy miankina », kanefa mety efa VOAVIDY MIALOHAN’ny nanome vola azy ireo hiatrehany ny fifidianana, dia ny FARITRA 22 no hatao FARI-PIFIDIANANA ny depiote, ka tsy misy intsony amin’izay ny hafetsifetsena kely - toy ny fanaon’Ikotofetsy sy Imahaka - eo amin’ny fanefitefena ny fizaram-pari-fifidianana maromaro azo ovaovana mba hahamora ny hahavoafidy an-dRanona sy Ranona kandidà (« découpage/redécoupage électoral » hoy ny Frantsay na « gerrymandering » hoy kosa ny any Etazonia ). Ny fomba fifidianana ny solombavam-bahoaka amin’izay izany dia ny FAMPIFANINANA LISITRA mirakitra anarana kandidà maromaro, tsy azo ovaovana, isaky ny « FARITRA 22 ». Izay LISITRA nahazo latsa-bato be indrindra no avy hatrany dia lany, na firy na firy no mpifidy nandray anjara tamin’ny fifidianana. Izany hoe MIARA-LANY DAHOLO NY AO ANATY LISITRA rehetra.

« Scrutin de liste majoritaire simple à un tour, sans panachage ni vote préférentiel » no fiantson’i Frantsa izany fomba fifidianana izany. Tsarovana fa nampiharina foana teto Madagasikara io « scrutin de liste majoritaire » io hifidianana ny depiote nandritra ny fitondran’Itpkl. Tsiranana saingy noferana ho 55 isan-jaton’ny latsa-bato nanan-kery no tsy maintsy azon’ny lisitra iray vao ho tafita daholo ny mpirai-lisitra rehetra. Raha tsy misy mahatratra izany, dia zaraina araka ny isa azo ny toerana (« représentation proportionnelle »). Raha ny toe-java-nisy teo amin’ny sehatra fanaovana pôlitika teto Madagasikara nandritra ny efa-polo na dimy amby efa-polo taona lasa aloha no masahina tsara, dia vao mainka hiteraka korontana ny famerenana io « 55% » sy ny « représentation proportionnelle » tamin’ny andron’Itpkl. Tsiranana, izay toe-draharaha tsy nitranga rahateo na indray mandeha aza. Noho izany dia tanana ho izay lisitra nahazo latsa-bato be indrindra ihany no tonga dia voafidy.

Arakaraka ny isan’ny mponina ao amin’ny « faritra iray » izany no isan’ny depiote anaty lisitra hofidiny Ohatra aza heverina fa, ara-keviny, dia tokony hanana depiote iray ny mponina miisa 100,000.

[Zahao : lysnorine, 16 septembre 2017 à 08:27, 09:15, sns. ao amin’ny « Election présidentielle 2018-Tout le monde conscient des enjeux mis à part le régime,jeudi 14 septembre 2017 », http://www.madagascar-tribune.com/Tout-le-monde-conscient-des-enjeux,23267.html ]

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS