Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 20h57
 

Répondre à un commentaire

15 janvier 2018 à 10:13 | lysnorine (#9752)

@ Isandra 13 janvier à 18:40 répond à vatomena :

« Si Maman avaient nommé quelqu’un PLUS COMPÉTENT économiquement et politiquement et [PLUS] AUTONOME que Tsiranana, Madagascar aurait pu FAIRE MIEUX et eviter l´evenement de 72. »

Taorianan’ny fanonganana ny fitondran’i Tsiranana tamin’ny 1972 ka mandrak’ankehitriny (2018), dia ny « lita be » Malagasy, Be Diplaôma sy Be Galona (BDBG !) no nitondra an’i Madagasikara. Tsy mila iadian-kevitra ny voka-dratsin’izany fitondrana izany nandritra ny 45 taona, niantomboka indrindra tamin’ny 1975 (Boky Mena sy Tolom-piavotana) teo amin’ny lafin-javatra rehetra : pôlitika, ekônômika, SÔSIALY-indrindra teo amin’ny fari-piainan’ny VALALABEMANDRY, ny nitomboan’ny fahantrany na ara- nofo, na ara-tsaina, na ara-panahy. Tsy mila asian-teny lava koa ny fahaverezan’ny fiandrianan’i Madagasikara sy ny naha-lasa azy ZANATANY tsikelikely tsy mitonona anarana, niantomboka tamin’ny naha-bankirompitra azy tanteraka tamin’ny 1981-1982, tsy nahaloa intsony ny trosany niavosa, ka lasa NANDADY tany amin’ny FMI, « Club de Paris », « Club de Londres », sns.

Koa raha oharina amin’ny vokatry ny fitondran’Itpkl Tsiranana an’i Madagasikara tafaverina ho fanjakana mahaleo tena nandritra ny 12 taona (1960-1972), dia toa tsy any am-paladian’ireo « instituteurs », sy « mpanao fanjakana faha-fanjanahan-tany » ary ny vita fianarana teto Madagasikara ihany, niara-nitondra taminy, ireto « BDBG » avy any andafin-dranomasina nandimby azy ireo nandritra ny 45 taona : mandray BAIKON’ny avy any ivelany sisa ny fitondrana malagasy fa TSY AFAKA MANORITRA PÔLITIKA « AUTONOME » INTSONY, ary efa lasa FANÀNAN’ny OLON-KAFA FIRENENA daholo rahateo ny FANAMBANY LEHIBE REHETRA (infrastructures) fa TSY FANÀNAN’ ny MALAGASY intsony. Ary hatramin’ny fifidianana sy ny olona hofidina aza dia BAIKON’NY ANY IVELANY. Hadisoana bevava ny MODY TSY MAHITA FOANA IZANY. Ka asa raha izany no heverinao fa midika hoe « PLUS AUTONOME QUE TSIRANANA » !

Mety tsy ho fantatrao angamba fa niantomboka tamin’ny Martsa 1966 dia nisy andia-na roaplanin’ny miaramila angilisy (RAF) nitoby tao Mahajanga hanara-maso ny Canal de Mozambique ny amin’ny jirika mpamatsy lasantsy ny Fanjakana rasista tao amin’ ny nantsoina hoe Rhodezia Atsimo (Zimbabwe ankehitriny) izay voasazy ka tezitra ny jeneraly de Gaulle dia nanao fitsipahana avy hatrany tany amin’ny “Foreign Office” hialany ireo fa hoe, mandika ny fifaneken’i Frantsa sy Madagasikara momba ny Fiarovana ny fitobiany, ka tokony ho nahazo alàlana mialoha taminy ny Fanjakana Malagasy. Fanjakana mahaleo tena manatanteraka fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana i Madagasikara, hoy no navalin’ny Angilisy azy ! Koa tsy hita loatra arak’izany izay TSY NAHA-AUTONOME an’Itpkl. Tsiranana sy ny fitondrany.

Torak’izany koa, tamin’ny 1971, dia nampiantsoin’Itpkl Rabemananjara Jacques, ministry ny Raharaham-Bahiny tany amin’ny biraony ny ambasadaoro Amerikanina Anthony D. Marshall ny Talata 1 Jona 1971 ka nasainy nangorona ny entany hiala eto Madagasikara ny Alahady 6 Jona 1971
[zahao : https://en.wikipedia.org/wiki/United_States_Ambassador_to_Madagascar
sy “AMBASSADOR ANTHONY D. MARSHALL, Interviewed by : Richard L. Jackson, Initial interview date : February 20, 1998”, ao amin’ny “Moments in U.S. Diplomatic History“, http://adst.org/2015/03/no-good-deed-cattle-the-french-and-getting-pnged-from-madagascar/

He [ny ministra] said, “There’s some evidence of people in your embassy who have been ACTING AGAINST THE GOVERNMENT . And the President has been shown evidence of this.”
I said, “Can I see the evidence ?”
“No, you can’t.”
So I said, “You have the right to do this. But it’s all wrong.”
And he said, “I’m afraid you must go IMMEDIATELY.”
I asked what was “immediate.”
And he replied, “What would you like ?”
“Two weeks.” Word came back that afternoon for me, giving me FIVE days. The next morning, he called me back to the Ministry and simply got out the printed diplomatic list of all the embassies, opened to the U.S. embassy page, and there were little ticks beside FIVE NAMES.
“ He said, “These people also HAVE TO GO . You haven’t done anything wrong, except that you’re the captain of the ship and you have to go and these people also have to go.”

Ny anton’izany fandroahana izany, dia hoe niara-nioko tamin’Itpkl Resampa izy ireo, nampirisika an’Itpkl Monja Jaona hampikomy ny tany Atsimo (31 Martsa- 2 Aprily 1971). Tsahivina fa sekretera jeneralin’ny antoko PSD izay akaiky dia akaiky ny antoko sôsialista Alemà SPD [Sozialdemokratische Partei Deutschlands] - izay nitondra ny nantsoina hoe Alemanina Andrefana (RFA-Bonn) tamin’izany, Itpkl Resampa. Efa nosamborina io Talata 1 Jona 1971 io ihany Itpkl Resampa, niaraka tamin’ny mpiara-miasa taminy (Itpkl isany : BORA Pierre, direktera ny Sécurité, sy NDRIVA Lucien, depiote) dia notanana tany amin’ny Nosy Sainte-Marie.

I Alemanina Andrefana tamin’izany moa dia tena tanan-kavanan’i Etazonia, mpanaraka ambokony ny pôlitikany, ary ny ambasadaoro Marshall dia olona niasa ela tamin’ny sampan-draharaham-pitsikiloan’i Etazonia ny firenena any ivelany (CIA na Central Inteligence Agency) - nandritra ny valo taona fara-fahakeliny (1951-1959). Ary raha niditra niasa kely tao amin’ny raharaham-bahiny amerikanina (State Department) aza izy talohan’izany (1950), dia efa raharaha mikasika ny fitsikiloana ihany no tena nosahaniny !
(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS