Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 10h32
 

Répondre à un commentaire

13 janvier 2018 à 08:17 | lysnorine (#9752)

@ rayyol 12 janvier à 01:52, répond à RAMBO
[...]
« A ce que je sait les vireux de capot ont toujours exister et que certain d entre eux et non les moindres n ATTENDENTjuste que le JEU se precise pour QUITTER HERY et REJOINDRE ANDRY »

Araka ny fijerinay ny firoson’ity raharaham-pifidianana prezidà ity, dia miharihary ohatra ny kary ampamoloana tokoa fa efa nanapa-kevitra i Macron, prezidàn’i Frantsa sy ny Fanjakana namany rehetra ao anatin’ity hoe « communauté internationale » ity fa : tahaka ny tamin’ny 2008-2009 ihany, dia HAMPAKARIN’dry zareo indray eo amin’ny fitondrana an’i Madagasikara Ingahy Rajoelina. Noho izany dia, miantomboka amin’izao, tsy hitandro hasasarana ny amin’ny fahatratrarana izany tarigetra izany ny MPANDRAY ny BAIKONY : ny « andriny faha-dimy » na « cinquième colonne izany , izay azo sokajina toy izao :

- ny sasany amin’ireo mpilalao pôlitika na mpanolo-tsaina, manodidina an’Ingahy prezidà na Ingahy Ravalomanana, mpitonona ho « mpanohana » ary mpanasohaso azy roa lahy mandrakariva, kanefa manomana longoa mitoto bozaka hampangidy hoditra azy hatrany hatrany amin’ny sarambabem-bahoaka sy hampietry azy tsikelikely. Araka ny fampitandreman’ny ohabolana frantsay, ny « sakaiza no manody » fa tsy ny fahavalo. « On n’est jamais trahi que par les siens, ce sont les amis (qui ont donné leur foi) et non les ennemis qui trahissent » ; koa angamba tsy handao an’Ingahy prezidà [« quitter Hery et rejoindre Andry »] na Ingahy Ravalomanana mihitsy izy ireo alohan’ny halavorarian’ny fifidianana, raha tsy izany tsy misy ilàn’ny tena « patron »-ny azy ireo intsony ka mety ho very ny fihinanany ;

- ny mpilalao pôlitika saribakolin’ny « any ivelany » atampifiny ao anatin’ny antoko bitika maro dia maro, tsy misy lanjany manao ahoana amin’ny vahoaka, sy ireo manora-tena ho « tsy miankina » fa vatsiny vola : asaina hively amponga tsy an-kijanona ireo hoe efa tsy zakan’ny vahoaka intsony ny fahantrany sns, sns, ka mila « olom-baovao » e ! , ka izao dia izao dia takina ho soloana- OLON-DRY ZAREO - Ingahy praeministra ankehitriny. Amin’izay manko azo antoka fa tena ho voafehy tsara ny fifidianana sy ny vokany. Afaka « miara-miasa » tsara izy sy ity Commission électorale tombohana hoe Indépendante na tsy miankina ity (CNI) - na dia eo ambany saoka ny « any ivelany » aza izy io -, ka mandeha ho azy, rehefa ilaina, ny fanamboarana ny vokam-pifidianana ;

- ny fikambanana miloko isan-karazany mody mitonona ho tsy manao pôlitika sy ...ny
FFKM, indrindra fa : ny Eglizy KATÔLIKA sy ao anatin’ny FJKM, ny zaza navelan’Itpkl pasitera ANDRIAMANJATO. Mbola voatavo tsy mifandraka eo amin’ny fivoasana ny pôlitika eto Madagasikara, na taloha na ankehitriny...izay rehetra tsy mba manadihady ny TANTARAN’ ny pôlitikan’ny Eglizy KATÔLIKA - indrindra fa ny ZEZOITA - araka ny fahita tamin’ny gazetiny, « LUMIERE » (fahizay) sy « LAKROA », ny an’ny PRÔTESTANTA FRANTSAY tao amin’ny M.P.F. (Mission Protestante de France), faha-fanjanahan-tany.
Tsahivina fa niara-dia tamin’i Frantsa nanohana an’Ingahy Rajoelina sy ny fanonganany fanjakana tamin’ ny 2009 ny Eglizy Katôlika :

Zahao : http://www.madagascar-tribune.com/3e-Etat-qui-reconnait-la-HAT-selon,14189.html, « Le Pakistan “3è État qui reconnaît la HAT” , selon Hyppolite Ramaroson, jeudi 10 juin 2010.
 : « trois ambassadeurs lui ont présenté les copies figurées de leur lettre d’accréditation comme ambassadeur auprès de l’État malgache. La Turquie a été la première, suivie par le VATICAN. Le dernier État en date est celui du Pakistan ». PAKISTAN moa no tena Tanindrazana fiavian’ireo « Karana » isan’ny namatsy vola ny mpanongam-panjakana tamin’ny 2009 araka ny fiaiken-keloka an-tsoratra maromaro nataon’ny lieutenant-colonel ANDRIANASOAVINA Charles.

Azo vinavinaina toy izao ny mety ho paik’adin’i Frantsa sy ny « communauté internationale hamerenany an’Ingahy Rajoelina eo amin’ny fitondrana :

Kendrena ny TSY HILATSAHAN’Ingahy prezidà ka tambatambazana amin’ny vola be sns. ombana fandrahonana ihany raha tsy manaiky izy, ary dia asaina manolotra tsangan’olona hisolo azy ;

Ny amin’Ingahy Ravalomana dia asaina hosakanan’ny FITSARANA amin’ny farany ny firotsahany ka mandra-pahatongavana amin’izay dingana izay, dia atao aloha izay hampandry ny eritreriny amin’ny hifikirany tahaka ny tamin’ny 2009 amin’ny HEVI-DISO hoe : manohana azy ny Amerikanina sy ny Fanjakana hafa noho i Frantsa, sns, kanefa manao volo ngita mifandray tendro amin’i Frantsa foana izy rehetra.
(Hofaranana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS