Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 16h18
 

Répondre à un commentaire

11 janvier 2018 à 22:22 | lysnorine (#9752)

@ RAMBO 11 janvier à 19:42 ...
« Isandra...si vous étiez la conseillère de Rajoelina ... »
« Fampahatsiahivana soso-kevitra vitsivitsy... »
(Tohiny sady farany)

3°-« 20 décembre [2016] à 09:40 | lysnorine »
http://www.madagascar-tribune.com/Pas-de-treve-de-Noel-ou-de-fin-d,22748.html

« Pas de trêve de Noël ou de fin d’année »
lundi 19 décembre
[...]
« Araka ny tatitra tao amin’i Jeune-Afrique tamin’ny septambra 2013 manko, dia nanambara tokoa izy [Ingahy RATSIRAKA] tamin’ny 11 Septambra 2013, fa i Frantsa mihitsy no nangataka azy mba hanampy an’Ingahy Rajoelina hanongana an’Ingahy Ravalomanana, prezidàn’ ny Repoblikan’i Madagasikara ara-dalàna, lanim-bahoaka ara-dalàna.

« “la France [lui] a demandé d’aider Andry Rajoelina à évincer Marc Ravalomanana” , faisant référence aux événements de début 2009 qui ont conduit au renversement de l’ancien président malgache.

« “Didier Ratsiraka : La France m’a demandé d’aider Rajoelina à évincer Ravalomanana de Madagascar” », http://www.jeuneafrique.com/168516/politique/didier-ratsiraka-la-france-m-a-demand-d-aider-rajoelina-vincer-ravalomanana-de-madagascar/

« Koa tsy mahagaga raha efa mametraka ―dieny izao [Desambra 2016], ny soritr’asa mikasika an’i Madagasikara ho an’izay ho prezidàn’i Frantsa vaovao ny fitondrana frantsay ankehitriny, dia ny fikojakojana tsy tapaka ny FIARAHANY MIASA AKAIKY AMIN’Ingahy RATSIRAKA sy Ingahy RAJOELINA amin’ny FIFIDIANANA IZAY TIANY HO prezidan’i Madagasikara amin’ny 2018 ka hitsimbina sy hiambina tsara ny tombon-tsoan’i Frantsa rehetra eto Madagasikara.

« Ny fanavaozana momba ny fifidianana tena ilaina voalohany indrindra eto amintsika ― araka ny hevitra efa narosonay matetika ihany tamin’ny sehatra hafa ― dia ny FANAFOANANA ny FISIANA FIHODINANA ROA amin’ny fifidianana REHETRA (prezidà, depiote, sns.) araka ny fakan-tahaka ny fomba frantsay - izay fanaon’ny mpanora-dalàna malagasy rapa-dango amin’ny lafin-javatra maro.

« Fihodinana TOKANA ihany dia ampy, ka avy hatrany dia lany izay kandidà nahazo latsa-bato be indrindra, na firy na firy no isan’ny olona voasoratra ho mpifidy nandray anjara tamin’ny fifidianana. Sady fitsitsiam-bola sy fotoana no hampieritreritra ny mpamatsy vola sy mpampirisika ny mpilalao pôlitika hirotsaka hofidina prezidà [ 2018:TSY HANDANIDANINY VOLA BE foana intsony koa !], na dia fantatra avy hatrany aza fa tsy ho lany indray andro, fa hanaovana ANKASOMPARANA kosa ny kandidà TSY TIAN’ mpamatsy vola azy ireo ho lany sy hanomezana TOSIKA kosa izay TIANY ho lany [...] »

4°- 24 février [2017] à 09:43 | lysnorine
http://www.madagascar-tribune.com/Des-troubles-a-craindre-selon,22874.html?id_article=22874&id_objet=22874#formulaire_forum

« Elections 2018
« Des troubles à craindre selon certains politiciens
« jeudi 23 février [2017]

« Tsy misy tokony hatahorana na kely aza izany hisiana korontana izany amin’ny fifidianana ho avy ka ny VAHOAKA MALAGASY no loharano hipoirany.

« Fa ny hanakorontanan’NY ANY IVELANY ny firenena kosa ― i FRANTSA sy ny KARANA-Frantsay na avy any INDIA, omban’ny Malagasy saribakoliny mpilalao pôlitika, fanipazany taolana kely hokikisana, mpanakarama ny jiolahim-boto mpikarama an’adiny izay mora angonina eran’Antananarivo-renivohitra sy ny renivohitry ny faritany no LOHA LAHARANA amin’izany, ary HOTOHANAN’ny longony tsy misy farafara izy (ny Firaisana Eôrôpeanina, Etazonia sy ny OTAN na Organisation du Traité de l’Atlantique Nord, izany hoe ry zareo mpiara-miady araka ny Dinan’ny Ranomasimbe Atlantika Avaratra,) ― dia izany no hotakotaka mananontanona, raha vao tsapany fa mety tsy hotafita ny karazana « OUATTARA » (Côte d’Ivoire), na « IDRISS DÉBY » (Tchad) na « FAURE GNASSIMBÉ-EYADÉMA » (Togo) Malagasy, kandidàny.

« Mihamaka bahana eto Madagasikara (sy eran’i Afrika) moa i SININA hany ka tsy maintsy hotoheriny amin’ny fomba rehetra izay KANDIDÀ METY AZOAZON’I SININA, na vonona ny hanabe voho ny fifandraisan’i Madagasikara amin’i Sinina. Araka ny tantaran’ny fizotran’ny pôlitikan’i Frantsa eran’i Afrika hatrizay hatrizay, dia ny tafika no BAIKONY hanao fanonganam-panjakana raha vao hitany fa ratsy laharana ny kandidàny. Tsy azo odian-tsy hita mihitsy fa ny ankamaroan’ny manamboninahitra amin’ny tafika sy ny zandary eran’i Afrika zanatanin’i Frantsa taloha dia SARIBAKOLIN’I FRANTSA, notazainy tsara hiaro ny tombon-tsoany, ka hanohana izay kandidà tondroiny. Ny tsy nahatakarany an’izany no fahotana mahafaty nataon’Ingahy Ravalomanana raha vao niakatra teo amin’ny fitondrana izy tamin’ny 2002 ka NANDRAVA ny « ZANA-DAMBO » ! [...]

« Fa ivelan’izany dia toy izao no fanovana tokony hatao ny amin’ny lalàna momba ny fifidianana

« 1°Izay rehetra mirotsaka hofidin’ny vahoaka malagasy dia tsy maintsy manao fanambarana AN-TSORATRA fa TSY MIZAKA AFA-TSY NY SATA-na OLOM-PIRENENA Malagasy izy, ary tsy anisan’ny olom-pirenena amin’ny firenen-kafa. Koa raha olom-pirenena ana-FIRENEN-KAFA koa ilay kandidà, dia tsy maintsy manao fanambarana AN-TSORATRA fa efa NARIANY izany ka ampiarahany amin’ny fanambarany ny taratasy ARA-DALÀNA MANAPOROFO izany FANARIANY azy izany. Tsy mahazo milatsaka izy raha tsy mahafeno ireo fepetra ireo ary raha mandainga dia AVY HATRANY dia sazina tranomaizina, tsy ilaina fitsarana intsony (folo taona ohatra !).[...] »

Hoy ihany koa ny Ntaolo : « Ny nenina tsy mba aloha hananatra fa avy aoriana handatsa. »

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS