Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Démocrafika
100 %
Derniers commentaires
- bekily : REALISATIONS IMPRODUCTIVES
- bekily : REALISATIONS IMPRODUCTIVES
- bekily : PRECISER QUE DES REAMISATIONS IMPRODUCTIVES A CE JOUR ; de miami ( (...)
- bekily : Boloky Comme d" habitude TU NE COMPRDS PAS CE QUE TU LIS !!!! J’écris (...)
- bekily : Boloky Comme d" habitude TU NE COMPRENDS PAS CE QUE TU LIS !!!! (...)
Archives
Miarahaba Tompoko,
Rehefa vita ny lanonana isankarazany sy fandaniambola tany amin’ny toerana naha-voafidy azy tany dia aleony indray aloha miakatra indray ny renivohitra, fivoriana tsy ara-potoana izany inoana fa vola hiditra, tsy ho tohanana fanoto mihintsy tsy akory !
Tsy maintsy atao dieny izao ihany koa ny fifampidinihina amin’ny antoko matanjaka eo amin’ny fitondrana sao dia mba niangaran’ny vintana ka atolotry ny antoko manga ho kandida soombavambahoaka amin’ny fifidianana ho avy. Efa mazava ihany koa fa tsy maintsy hisy ny kitapo latsaka hitobaka raha ireo lahadinika ireo no hiantsoana fivoriana.
Sady inona koa moa no hijanonana any ambanivohitra lavitra any nefa any andrenivohitra mbola mitohy foana ny fety fifampiarahabana tratry ny taona e ? raha hijanona any, tsy misy afatsy fahasahiranana no hita any, ao ny faharavana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza sy ny andro ratsy izay tsy ahitana vahaolana, eo koa ny fitarainan’ny mponina noho ny fahasahiranana isankarazany sy ny sondrobidin’ny fiainana izay tsy hita ihany koa izay azo hanalefahana azy, tsy aleo ve ary mijanona andrenivohitra mody mamonjy fivoriana no sady mampidibola no mbola manohy ny lanonana e !
Vola hiditra ve hotohanana fanoto e !
Mankasitraka Tompoko