Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 16h21
 

Répondre à un commentaire

10 janvier 2018 à 10:31 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Na inona ho lazaina sy hambara, tsy azo odiana tsy fantatra fa raha ny datin’ny 07 febroary no asianteny dia lapa toerampiasan’ny filoha amperinasa ny eny Ambohitsorohitra. Fahefana avy aiza ary no nentin’ny Ben’ny Tànana mpitarika fikomiana haka aminkery ny lapan’ny Fanjakana ?

Ity lapa’ny Fanjakana ity dia sady toby miaramila misy fitaovam-piadiana ihany koa.

Vantany vao nivoaka ny teny fiantsoana fananihandapa dia tompomarika feno sy tanteraka amin’izay tranga niseho i Rajoelina Andry Ben’ny Tanàna.

Amin’ny maha olombelona dia tsy azo ekena ny fandatsahandrà faobe na inona na inona tsy fitoviankevitra ara-politika, heloka eo amin’ny Firenena sy imason’ny tantara izany, fa ny tsara tsindriana ihany koa nefa dia ity : raha sanatriavina moa ka niparitaka teny antànan’ olontsotra ireo fitaovampiadiana voatahiry tao amin’io toby io ka ka niteraka fifanandrianana sy fifamonoana teny anivon’ny fiarahamonina, dia inona no loza sy atambo nitranga teto ?

Amim-pahatsorana ary no hanolorana sosonkevitra hoe rehefa nahavita ny fanohanana io didimpitsarana io i Ravalomanana Marc, dia tokony handray andraikitra ary tsy misy fitongilanana sy fiandaniana ny fitsarana Malagasy ka hampiantso eo anoloan’ny fitsarana an’i Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry.

« Arivo teny, zato kabary, ny faran’ny teny hifanatrehana »

« Ny lainga donga takona fa mahia mifanatrika »

« Ny lainga mampisolantsolana andro hilazana, fa mampivalomainty raha mifanatrika »

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS